Manoloana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina dia tokony hamantatra tsara ny safidiny ny olom-pirenena rehetra, izay manan-jo hifidy. Ny fitiavan-tanindrazana dia safidy, porofon'izany ny safidin'ireo vahiny manana finiavana hampandroso ity firenena ity. Teny filamatra tsara tadidiana ny hoe : Fandrosoana - Filaminana - Fifanajàna. Tsy tokony hiandry fananan'andraikitra vao haneho fitiavan-tanindrazana, tsy tokony hifidianana sehatra ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Samy nahavita ny antsapaka amin'ny laharan'ireo kandidà ben'ny tanàna ao amin'ny bileta tokana ireo OVEC manerana ny nosy omaly. 50 mahery ireo kandidà mirotsaka ao Toamasina-I sy Toamasina-II, raha toa Ka maherin'ny 200 kosa izany ho an'ny ato amin'ny Distrika Ambohidratrimo... ♦ Nandroso hevitra hamahàna maika ny olan'ny rano ao an-drenivohitra ny filohan'ny repoblika nandritra ny filan-kevitry ny ministra. Havondrona avokoa ireo fiarabe afaka mitatitra rano hamatsiana ny tanàna misedra olana... ♦ Anjaran'ireo tompon'andraikitra misahana ny ady amin'ny kolikoly any amin'ny ministera samihafa no nanolotra ny heviny amin'ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena vaovao hiadiana amin'ny kolikoly...
♦ Tontosa androany manerana ny OVEC 120, any amin'ny Distrika eto Madagasikara ny fanaovana ny antsapaka ny laharan'ireo kandidà ho Ben'ny Tanàna ao amin'ny bileta tokana, amin'ny fifidianana ny 11 desambra 2024... ♦ Anjaran'ireo tompon'andraikitra any amin'ny minisitera samihafa indray androany, no naneho ny heviny momba ny pôlitika anatiny amin'ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Nankalazaina androany ny andro maneran-tany ho an'ny Paositra. Mivoatra sy manaraka ny toetr'andro ny Paositra Malagasy...
♦ Tontosa ny maraina teo ny fanaovana ny hatsapaka ny laharan'ireo kandidà anatin'ny bileta tokana ho an'ireo hiazakazaka amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna, laharana hamaritra ny fahafahan'izy ireo miditra amin'ny haino aman-jerim-panjakàna... ♦ Miantso ny hampitsaharana ireo tsindry mahazo ny mpiasam-panjakàna hampandany ny kandidàm-panjakàna amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna ao amin'ny kaominina Mahaiza distrika Betafo ireo kandidà mpifaninana hafa... ♦ Marihina isaky ny 10 oktobra ny andro manerantany ho an'ny fahasalamana ara-tsaina, tsy ampy ny fandraisana sy ireo manampahaizana afaka manao tantsoroka ireo marary eto Madagasikara...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco