♦ Fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina : Naharaisana taratasy firotsahan-kofidiana avokoa ny kaominina 1.695, ny alatsinainy 30 septambra no hamoaka ny lisitra vonjimaikan'ireo kandidà ny OVEC manerana ny nosy... ♦ Olan'ny vokam-panadinana bakalôrea tany Toamasina : Nandray fepetra hiantso ireo mpiadina afaka tamin'ny alalan'ny "délibération" nefa tsy voasoratra tao anatin'ny peta-drindrin'ny "université" ny sampandraharaha misahana ny fanadinana bakalôrea any an-toerana...  ♦ Nahazo tohana tamin'ilay fandaharan'asa Business Linkage Program vatsian'ny Banky Afrikana ho an'ny fampandrosoana ny orinasa madinika sy salatsalany miisa 300 avy amin'ny Faritra 18 teto Madagasikara...

♦ Tsy afaka mirotsaka ho Ben'ny Tanàna any Fianarantsoa, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Christine Razanamahasoa... ♦ Fampiroboroboana ny dinika sôsialy eny anivon'ny orinasa, no niadian-kevitra sy nasongadina, nandritra ny fanamarihana ny andro natokana ho an'ny Ivom-pirenena momba ny asa... ♦ Niadian-kevitra an-databatra boribory, niarahan'ny CREA sy ny Ivontoerana fikarohana ho an'ny fampandrosoana eo anivon'ny Université Catholique de Madagascar, ny fanomezan-danja ny maha olona...

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

♦ Antontan-taratasy firotsahan-ko fidian'ny Ben'ny Tanàna amperin'asa, Andriambolanarivo Parisoa ihany, no voarain'ny OVEC ho an'ny Kaominina Imerintsiatosika... ♦ Zara raha manondrana ny ampahafolon'ny vokatra trondro azo avy amin'ny jono i Madagasikara, isan-taona... ♦ Mbola misedra olana amin'ny fisitrahana rano madio fisotro sy toeram-pivoahana sy fidiovana ny any ambanivohitra...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...