♦ Mampitandrina ireo mpiara-dia amin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, ny fikambanana Vondron'ny Malagasy manohana ny Filoha, mba tsy hifanilikilika... ♦ Tao aorian'ny Forum Afrikana ho an'ny infirmiera natao teto amintsika dia voaasa handray anjara amin'ny fikaonan-doha iraisam-pirenen'ny ECSA-CONM faha-16, isika Malagasy... ♦ Voafidy indray hitantana ny Tranoben'ny Tantsaha Nasiônaly mandritra ny dimy taona ho avy, ny filoha ankehitriny Razafimbololona Angeline...

♦ Miantso antsika hiaro ny aina sy ny marina ny Eokarisita, hoy ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny famaranana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly faha-3, notanterahana tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hotokanana sy hotsofin-drano amin'ny faran'ity herinandro ity ny tsangambato faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara...

♦ Nitokona nanomboka androany ireo mpiasa ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetry ny andro. Milaza ny tsy handray baiko avy amin-dRamatoa Tale Jeneraly intsony izy ireo... ♦ Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy tetsy Mamory Ivato, ny mpianatra nahavita fianarana teny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona... ♦ Hotontosaina ny 4 hatramin'ny 6 nôvambra 2024 ny fiadiana ny tompon-dakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja ady totohondry...

♦ Nijery ireo sakana amin'ny famahana ny olan'ny rano ao andrenivohitra sy any amin'ny faritra, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano, ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly... ♦ Notoloran'ny fanjakana Malagasy ny mari-boninahitra Chevalier de l'Ordre National, ny Tale Jeneralin'ny FEM, Andriamatoa Carlos Manuel Rodriguez... ♦ Havoaka amin'ny fomba ôfisialy any amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe, ny andriany “Fandresena 2024”, mpianatra ho manam-boninahitra nahavita fiofanana andiany faha-45 sy andiany manokana 26...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...