♦ Voatendry ho PDS vaovao hitantana vonjimaika ny tanànan'Antananarivo Ramatoa Harilala Ramanantsoa. Izy indray no hisolo an'Andriamatoa Richard Ramanambitana... ♦ Manomboka midina an-kianja ireo Ministra anatin'ny Governemanta vaovao, taorian'ny nanendrena azy ireo. Miandrandra asa mipaka amin'ny fiainany ny Malagasy maro... ♦ Manomboka miakatra tsikelikely ny vidin'ny Vary Gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo amin'izao. Hanazava izay eto ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Naato indray omaly ny famatsiana ny fanampiana ny maha-olona mankany amin'ny faritr'i Gaza izay tanterahin'ny Firenena Mikambana. Nanaitra ny sivily hiala ao Deir-al-abalah ny tafika israeliana...
♦ Manomboka midina an-kianja ireo Minisitra anatin'ny Governemanta vaovao. Miteraka fifanitsahana andraikitra ny fisiana Minisitra sy Sekreteram-panjakana amina sehatra mitovy, hoy ny mpamakafaka pôlitika iray... ♦ Miakatra tsikelikely ny vidin'ny vary gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo. Ariary zato isan-kilao eo io fiakaram-bidy io, hoy ny filohan'ny PMH... ♦ Manambana ny hitokona indray ireo mpianatry ny Oniversiten'i Maninday any Toliara, raha nanao fanambarana. Mpianatra miisa 361 no voalaza fa mbola tsy mandray vatsim-pianarana taom-pianarana 2023-2024 hatramin'izao...
♦ Tontosa omaly ny Eokaristia fanirahana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly sy famaranana ny Fihaonambe Nasiônaly notanterahan'ny AFAFI-FET teto Madagasikara, tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Manentana antsika mianakavy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hanao hatrany ny vavaka isan-tokantrano hangatahana ny hanandratana ho Olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo... ♦ Nanentana ny mpino hanaraka an'i Jesoa, na dia sarotra aza izany, ny Papa François nandritra ny vakaka Angelus omaly...
♦ Tsy afaka miasa ankalalahana ny mpikamban'ny governemanta fa misy mibaiko azy ireo hoy ny filohan'ny antoko MTS Rolant Ratsiraka... ♦ Miandry ny famahana ny olana sôsialin'ny mponina ny solombavambahoaka miaradia amin'ny fitondrana... ♦ Efa miroborobo ny sehatry ny fambolena any Ambatofinandrahana, olana ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Naneho ny firaisan-kinany sy nangata-bavaka ho an'ireo olona sy firenena ahitana ilay valan'aretina MPOX i Papa François nanditra ny famaranana ny vavaka Angelus omaly... ♦ Nahery vaika ny tifitra nataon'i Hesbolah tany Israely omaly, Rôkety miisa 320 no nalefan'izy ireo tany Tel Aviv...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco