♦ Tanterahina eto amin'ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara manomboka anio ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny ary mifanindran-dalana amin'izany ihany koa ny andiany voalohany amin'ny bakalôrea teknika... ♦ Mbola lavitr'ezaka ny fampiharana sy ny fampanjakana ny demôkarasia ho antsika eto Madagasikara, niadian-kevitra teny amin'ny Arrupe Faravohitra io loha-hevitra io ny farany herin'nandro teo... ♦ Hitohy rahampitso 23 jolay ny fikirakirana ireo antotan-taratasy fangatahana hisitraka karatra matianina ho an'ny mpanao gazety andiany fahaefatra, niisa 243 ireo fangatahana voarain'ny kômity manoka... ♦ Nametra-pialana tsy ho kandidan'ny Demokraty amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha Joe Biden...

Alahady faha-16 mandavantaona - B : Andian'ondry eo an-tanan'Andriamanitra isika ; ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no nahatonga antsika rehetra ho iray. Mazava ny teni'ny Tompo : Hangoniko ny sisa amin’ny ondriko ary hanangana mpiandry hiandry azy Aho. Arak'io voalaza io dia mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry. Adidin'ny Fiangonana no mampanjary ireo voalaza ireo...

♦ Mbola tsy ho ato ho ato ny hitsangànan'ny Governemanta vaovao. Mbola haka fotoana maharitra ny filoha sy ny praiministra handinika ireo izay hotendrena ministra, hoy ny gazety iray mpiseho isan'andro androany... ♦ Mpiadina maherin'ny 200.000 isa no hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea manomboka ny alatsinainy izao. Misy ny toromarika vitsivitsy ho an'ny mpiadina avy amin'ireo mpanabe... ♦ Mitaky ministra manana mari-pahaizana hitantana ny ministeran'ny fampianarana teknika ny sendikàn'ny mpiasan'ity ministera ity. Tsy eken'izy ireo ho an'izay ministra ho avy eo ny fitondràna mpiasa avy aminy... ♦ Olona +11 no namoy ny ainy omaly hariva tany Chine, vokatry ny firodananà tetezana lehibe iray...

♦ Manana hatramin'ny 6 aogositra izao ny Fanjakàna hamoahana ny didim-panjakàna hanaikàna ny mpifidy, raha hotazonina amin'ny 6 novambra ny daty ho an'ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina... ♦ Mampitandrina ireo milaza ho manana laza adina Bakalôrea sy manaparitaka izany ny Ministry ny Filaminam-bahoaka. Miahiahy amin'io tranga io ireo mpampianatra sasany, amin'izao mialohan'ny fanadinana izao... ♦ Niverina nanao fihetsiketsehana indray ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny Cité Universitaire eny Ankatso faharoa omaly hariva. Tsy nivaha ny olan'ny famatsiana rano sy jiro, eny amin'ny tranon'ny mpianatra R+1...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...