♦ Miverina amin'i Madagasikara ny fitantanana ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana, 16 taona aty aoriana. Voatendry ho sekretera jeneralin'ny COI omaly ny Ministra teo aloha, Edgard Razafindravahy... ♦ Hadino tanteraka ny tapany atsimon'ny nosy tamin'ny nanendrena ny Praiministra farany teo hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Tovolahy nisoloky manana laza adina Bakalôrea no nosamborina. Nilaza ny Ministra mpiahy fa azo antoka ny fepetra rehetra napetraka tsy ivoahan'ny laza adina mialoha... ♦ Hanohana an'Andriamatoa Donald Trump ingahy Elon Musk amin'ny fifidianana filoham-pirenena any Etazonia...
♦ Mbola tsy navotsotra Andriamatoa Cyrille Rasambozafy, 10 andro taorian'ny nisamborana azy, noho ilay raharaha famoriam-bahoaka tany Vangaindrano. Manahy amin'ny toe-pahasalamany ny fianakaviany... ♦ Niakatra hatrany amin'ny 40% ny vidin'ny lafarinina eto Madagasikara tao anatin'ny andro maromaro izao. Fanararaotan'ireo mpamongady no mahatonga izany hoy ny fanazavàna azo... ♦ Hisy fiovàna ny fizotry ny lalana amin'ny fanamboarana ilay lalam-be migodàna mankany Toamasina... ♦ Ôfisialy fa Andriamatoa Donald Trump no ho kandidàn'ny antoko Repoblikana amin'ny fifidianana filoham-pirenena any Etazonia amin'ny volana novambra...
♦ Mbola nofonjaina any Mananjary i Cyril Rasambozafy, tao aorian'ny nisamborana azy tany Vangaindrano... ♦ Hanampy ireo ray aman-dreny amin'ny fisafidianana ny sekoly hianaran'ny zanany amin'ny alalan'ny hay ranty, ny Fan Education Agency... ♦ Niakatra 40% ny vidin'ny lafarinina, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa. Milaza handray fepetra kosa ny minisitera tompon'andraikitra...
♦ Tafapetraka eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano azy, i Mgr Clément Herizo Rakotohasimbola... ♦ Torio ao anaty fiombonana sy fahononan-tena amin'ny fiainana ny Evanjely, io no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly... ♦ Notendren'ny Papa François hisolo tena azy mandritra ireo lanonam-pamaranana ny fivahinianana masina ataon'ny mpino katôlika Okreniana manaraka ny fomba latina, amin'ny 21 jolay 2024, ny Sekreteram-panjakana, ny Kardinaly Pietro Parolin...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco