Tsy misy "fièvre jaune" eto Madagasikara fa matoa mavomavo ny hoditra na ny maso na ny tanana dia satria misy fiparitahan'ny ranon'afero ao anatin'ny lalan-drà. Raha ny fambara "ngorongosy" no mitranga amin'ny olona iray dia tokony hamonjy tobi-pahasalamana haingana ; tsy maintsy manao fialantsasatra tsara ny olona tsy salama, satria tsy tomombana ny asan'ny aty raha toa ka reraka. Ny hepatita "A" dia mifindra amin'ny alalan'ny zavatra miditra ao am-bava, avy amin'ny sakafo. Fambara : miloko mavo ny faritra amin'ny vatana, mandoa miloko, fiakaran'ny hafanana.  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Manan-danja ny fahasalaman'ny reny mitondra vohoka, filaminan-tsaina satria izany no antoka lehibe amin'ny fahavelomana sy fitombon'ny zaza araka ny tokony ho izy ao ankibo. Voaantso manokana hiandraikitra ny fitohizan'ny aina ny Reny rehetra, adidiny noho izany ny mikajy sy mikolokolo ny aina entina eo am-bohoka, izy ireo dia mpiara-miasa amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

13 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 17-30)

♦ Manohana an'i Madagasikara hanatsara ny fomba fiasan'ny fandintseranana malagasy, ny Governemanta Amerikana, amin'ny alalan'ny USAID... ♦ Manatevina ny isan'ireo teknisianina misehatra amin'ny ala, ny ao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mpiofana 30 no noraisina teny amin'ny Soanala Ambatobe, androany... ♦ Mitohy ao amin'ny kaominina miisa telo, any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro, ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena, ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetikasa dingana faha-2 nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...