♦ Nomarihina omaly ny andro maneran-tany faha-59 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nampita hafatra ny eo anivon'ny FFKM omaly, nandritra ny fanokafana ny fanamarihana ny faha-45 taona. Hafatra mifantoka amin'ny zava-misy iainana ankehitriny eto amin'ny firenena... ♦ Niova indray nanomboka ny faran'ny herinandro teo ny vidin-tsolika. Fiovaovàna toy ny efa hita nanomboka tamin'ity fiandohan'ity taona ity, ho fampiharana ny fanitsiana ny vidiny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena... ♦ Olona 31 no namoy ny ainy, any Rafah, avaratr'i Gaza, omaly Alahady, nisy tifitra tampoka niantefa tamina olona an'arivony...

02 jona — Tovovavy nobaboina i Masimbavy Blandine, maty martiry tao Lyon tamin’ny fotoana nanjakan’ny amperora Marc Aurèle tamin’ny taona 177. Nahery fo tokoa ity tovovavy ity tamin’ny fotoana nampijaliana azy. Maro ireo namany no tsy nahatanty ny fampijaliana ka niverin-dalana ary nihemotra tamin’ny finoana fa izy kosa dia sahy nijoro hatramin’ny farany.

Ao amin'ny Eglizy Katôlika, orthodoxe, anglikana ary ireo tatsinanana tsy katôlika dia misy Eveka avokoa ary izy ireny dia heverina ho toy ny dimbin'ireo Apôstôly 12 izay vato fototra nanorenan'i Kristy ny Eglizy. Taorian'ny Pantekôty dia nanomboka nitory ny Evanjely amin'izao tontolo izao izy ireny ary niombona teo ambany fitarihan'i Piera araka ny nanendren'i Kristy azy ho filohany... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Ny Fiakarana, andro voadidy hohamasinina, dia 10 andro mialohan'ny pantekôty, andro nirotsahan'ny Fanahy Masina. Ny Diakra dia afaka mitso-drano ny ireo miroso amin'ny fandraisana ny Sakramenta Batemy sy ny Sakramenta Mariazy, raha toa ka mahazo alalana avy amin'ny Eveka na ny Pretra tompom-paritany. Ireo "Ministre ordinaire"-ny Sakramenta dia ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...