Boky faharoan’ny Tantara (2 Tant. 36, 14-16. 19-23)
Tamin’izany andro izany,
ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa,
nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny hafa firenena,
sy nandoto ny Tranon’ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.
Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo,
ny Tompo Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany,
fa nangoraka ny vahoaka sy ny Fonenany Izy.
Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra,
notsiratsirainy ny teniny, ary novazivazìny ny mpaminaniny,
mandra-pihàtran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Nodorany ny Tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema,
notselarany afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka saro-bidy rehetra.
Nentin’i Nabokôdônôzôro ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra,
ka tonga mpanompon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjàkan’ny mpanjakan’i Persa.
Izany no nahatanterahan’ny tenin’ny Tompo, tamin’ny vavan’i Jeremia hoe:
“Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabatany,
dia hitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy,
dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona”.
Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa,
dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa
mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo tamin’ny vavan’i Jeremia,
ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:
“Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa:
Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany:
ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy any Jerosalema.
Koa iza avy moa aminareo no vahoakany?
Homba azy anie Andriamanitra Tompony, ary aoka hiakatra izy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 136, 1-2. 3. 4-5. 6
Teo amin’ny onin’i Babilôna izahay nitorovoka,
nahatsiahy an’i Siôna ka nitomany.
Tamin’ny hazomalahelo izay teny
no nahantonay ny lokanganay.
Dia tonga ny mpamabo nangataka hira,
nasain’ireo mpampahory hifaly izahay:
“Anaovy hira izahay, hoy izy,
ihirao hiran’i Siôna!”
Dia an-tanin’olona ve izahay
no hihira ny hiran’ny Tompo?
Raha manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako!
Ny lelako hipetaka amin’ny lanilaniko,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 4-10)
Ry kristianina havana,
Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po,
noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,
na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika,
no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra,
mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany,
amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa.
Satria ny fahasoavana no namonjena anareo, noho ny finoana,
ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa,
mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.
Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 14-21)
Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe:
“Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra
no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay”.
Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao:
ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana,
nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana,
satria ratsy ny asany.
Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana,
ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;
fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana,
mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
♦ Kandidà tokana sy iraisana no hatolotry ny vondrona Firaisankina, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, manerana ny nosy... ♦ Ny 5%-n'ny zava-manana aina maneran-tany, dia eto Madagasikara avokoa, zava-dehibe araka izany ny fanamafisana ny vahaolana amin'ny fiarovana ireo karazan-java-manana aina ireo, hoy ny Minisitra Max Andonirina Fontaine... ♦ Nanamafy ny fitakian'ireo mpianatra nivoaka teo anivon'ny IFIRP, amin'ny tokony handraisana ho mpiasam-panjakana azy ireo, ny sendikàn'ny mpiasa SISFM...
Hita mitombo ny tahan'ny fanalan-jaza raha ny zava-misy amin'izao fotoana izao, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana ny tany mihitsy. Hatrany am-pitan-dranomasina, misy mihitsy aza ireo firenena izay tsy dia manao azy ho olana loatra nefa misy koa ireo firenena izay hita manomboka io fihetsika io. Tsy vitsy ireo tanora, izay tafalatsaka amin'ny fanalan-jaza, na ny tokantrano ara-dalana aza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
4 marsa 2024 — Alatsinainy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 24-30)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco