Mitohy ao amin'ny Kaominina Ambohitsilaozana, Ambohidava ary Imerimandroso any amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetik'asa dingana faharoa nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...
♦ Mbola manjavozavo ny fanendrena izay ho solontenan'ny fiarahamonim-pirenena ao amin'ny HCDDED... ♦ Hiroso amin'ny ady amin'ny fanafoanana tanteraka ny fampiasa merkiora eo amin'ny sehatry ny fitrandrahana volamena madinika, amin'ny alalan'ny tetikasa Planet Gold Madagascar, ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana... ♦ Iray vola tao aorian'ny tranga fakana an-keriny miisa telo tany Tsaratanana, mbola misy 6 ireo olona tsy navotsotr'ireo mpaka an-keriny hatramin'izao...
Ny fianakaviana dia andry voalohany hijoroan'ny fiaraha-monina izay fototra ijoroan'ny Fiangonana sy ny Firenena. Ny tsirairay eo anivon'ny ankohonana dia mila miezaka miara-miaina, mifanohana, mifanampy ary mifanaja, mba hampivelatra, sy ho antoky ny filaminana ara-piaraha-monina. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Nitraotra vokatry ny fahatapahan'ny herinaratry ny JIRAMA, ireo mpanjifa ao Toamasina. Efa tonga any an-toerana ny solika mavesatra 62.000 litatra, hoy ny Minisiteran'ny Angovo... ♦ Hisy fiantraikany ara-bola eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka ho 163, hoy ny Kestora voalohany eny Tsimabazaza... ♦ Tafakatra ho 6.200 Ar ny iray kilao amin'ny siramamy, hanaza izay fiakaram-bidy izay ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco