♦ Notontosaina tao amin'ny Nosy Maurice ny 11 ka hatramin'ny 17 febroary 2024 ny fiofanana sy fampiofanana momba ny fiarovana ny zaza sy ny marefo amin'ny herisetra… ♦ Manatanteraka ny “Fitsidihana miaraka” ho an'ny Faritra Afrika-Madagasikara, any Kigali Rwanda ny Filankevitra Jeneralin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco ny 20 ka 23 febroary 2024… ♦ Manentana ny kristianina hanamafy ny vavaka mba hisian'ny fandriampahalemana any amin'ny faritra atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana…

Mivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana ao anatin'ny Distrikan'i Faratsiho Faritr'i Vakinankaratra i Nantenaina Casimir. Niofana manokana momba ny fitsaboana izy saingy nisafidy ny ivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana. Tanora nanovo fahalalana tao amin'i Papa Bio na Ranaivoarison Basil i Nantenaina Casimir. Kankana 2 tanana teo ho eo tao amin'i Papa Bio no niatombohany, roa taona lasa izay.

♦ Antoka iray hisian'ny fifandanjan-kery amin'ny fifidianana ho avy eo, ny fiarahana sy ny firaisan-kinan'ireo hery sy antoko ivelan'ny fitondrana, hoy ny antoko pôlitika Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy... ♦ Miaka-bidy, ka eo anelanelan'ny 1100 Ariary hatramin'ny 2500 Ariary, ny vary any amin'ny Distrikan'i Mandritsara... ♦ Notokanana tao amin'ny Distrikan'i Mahanoro, ny rantsan'ny Radio Katôlika Masôva Toamasina...

Ny fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay eo amin'ny fianakaviana sy ny mpiara-monina dia anisan'ny fanoitra iray entina hampivoarana ny fiainana andavan'andro. Ny fahasamihafana dia isan'ny mikolokolo ny fifankatiavan'ny mpivady : izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary" ary ny firaisan-kina no hery. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...