Boky Jenezy (Jen. 3, 9-15)
Tamin’izany andro izany ny Tompo Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe:
“Aiza moa ianao?”
Hoy ny navaliny:
“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho”.
Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?”
Hoy ny navalin-dralehilahy:
“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo,
dia nihinana aho”.
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:
“Ahoana no nanaovanao izany?”
Hoy ny navalin-dravehivavy:
“Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho”.
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:
“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany;
izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 129, 1-2. 3-4ab. 4d-6. 7-8
Anaty hantsana aho no miantso Anao:
Tompo ô, henoy ny feoko!
Aoka ny sofinao hihaino
itony feoko mitoreo.
Raha mitsikilo heloka Ianao, ry Tompo,
Tompo ô, iza no hahatanty?
Kanefa ao aminao ny famelàna
mba hieken’ny olona Anao.
Koa manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho;
miandry ny Tompo ny fanahiko,
manoatra ny mpiambina miandry ny maraina.
Fa ny fitiavana no ao amin’ny Tompo:
ilay fanavotana lehibe no ao aminy.
Eny, Izy no hanavotra an’i Israely
amin’ny heloka rehetra nataony.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 4, 13 — 5, 1)
Ry kristianina havana,
noho izahay manana ilay Fanahin’ny finoana voasoratra hoe:
Nino aho, ka niteny, dia mino koa izahay, ka miteny.
Satria fantatray fa Izay manangana an’i Jesoa Tompo ho velona,
dia hanangana anay miaraka amin’i Jesoa koa,
sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo.
Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany,
mba homena be ny fahasoavana,
ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra.
Izany no tsy mahakivy anay;
satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany,
dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny.
Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny
dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay;
fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita;
satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity,
manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay,
dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-35)
Tamin’izany andro izany dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory i Jesoa sy ny mpianany.
Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo:
“Efa very saina Izy”.
Ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:
“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony”.
Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe:
“Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satàna?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna, ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny mahery sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra,
sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay”.
Satria hoy izy ireo hoe:
“Manana fanahy maloto izy”.
Ary tonga ny reniny sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano,
ka naniraka nampiantso azy.
Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina azy,
dia nilazana Izy natao hoe:
“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao”.
Fa novaliany hoe:
“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”
Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe:
“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitra-pon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ May ny ampahany amin'ny voka-pifidianana any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy, taorian'ny famaizan'ny biraon'ny SRMV ny sabotsy maraina teo ; nitondra fanazavàn ny eo anivon'ny CENI... ♦ Miseholany tsikelikely ny fanoherana ny voka-pifidianana. Nidina nanao fampitahàna teny amin'ny CENI ny 4 amin'ireo kandidà ao amin'ny boriborin-tany fahatelo. PV miisa telo no tsy hita eny Alarobia, hoy izy ireo... ♦ Azo fantarina mialoha manomboka izao ireo haban-tseranana sy ireo vola rehetra ilaina amin'ny fanafarana entana. Nampahafantarina ny herinandro teo ny fitaovana momba izany, antsoina hoe "plateforme e-tarif"... ♦ Mbola hitazona ny fampihenàna ny famokarana solika ny OPEP+...
Alahady fankalazàna ny sakramenta Masina sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia ; Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Ao amin'ny vatantsika olombelona dia andraikitra lehibe ny asan'ny ra : hery, aina, sakafo, fiadiana hanoherana ny aretina ; sitraki Kristy no nanolorany ny rany nalatsany teo amin'ny hazo fijaliana mba ho loharano hanovozantsika ny fiainana mandrakizay. Hoy Izy : raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny rako ianareo dia tsy mba hanana ny fiainana ao aminareo. Ny manao Kaominio dia mandray ra vaovao ao amin'ny fiainana, ra an'ilay nitsanga-ko velona, ra mpanasitrana, mpanadio...
♦ Nirehitra androany tamin'ny 3 maraina ihany koa ny SRMV ao Tsiroanomandidy... ♦ Nanamafy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy fa ani Madagasikara ireo biby naondrana an-tsokosoko tany Thaïlande. Hihazo an'ity firenena ity Andriamatoa Ministra amin'ny herinandro hitsidika... ♦ Nihetsika ny tany halina tamin'ny 11 ora sy 03 minitra... ♦ Mahazo vahana ny famonoana kandidà any Mexique, tafakatra 25 isa, ireo maty roa andro mialoha ny fifidianana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco