♦ Mafana ny toe-draharaha tany Tsihombe vokatry ny tsy fitovian-kevitra amin'ny voka-pifidianana ka niafara tamin'ny fandrehetana trano... ♦ Miisa roa ireo faritra mando eto Antananarivo. Hampahafantarina amin'ny alalan'ny horonan-tsary eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina ao anatin'ilay hetsika Haody ry Gasikarako izany anio maraina... ♦ Hohamafisina ny fanatsarana ny serasera sy ny fampitam-baovao manoloana ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona ity, araka ny nivoitra tamin'ny atrikasa notarihan'ireo mpikarakara ny hetsika... ♦ Akon'ny korontana tany Nouvelle-Calédonie, vola hatrany amin'ny iray lavitrisa Euros no ilaina ho fanarenana ireo orinasa maherin'ny 500 simba sy rava...
♦ Nankalazaina tany amin'ny Saha Maitsoanala any Mandraka Ambatolaona Manjakandriana, ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny karazan-java-manana aina... ♦ Mbola misy olona roa karohina, voasaringotra tamin'ilay raharaha fanondranana an-tsokosoko sokatra sy varika tany Thailande... ♦ Mbola azo hitarina hatrany amin'ny 10 tapitrisa hekitara ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny tantsaha ao anatin'ny sehatry ny famokarana tantanam-pianakaviana...
♦ Nankalazaina ny 30 mey 2024, ny fetin'ny Seminera Zokiny arovan'i Masindahy Paul VI, ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hankalazaina ny 9 jona 2024, ao amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny andron'ny vehivavy katôlika... ♦ Nandritra ny fampianarana tamin'ny Audience générale ny alarobia 29 mey 2024, no nanentanan'ny Papa François ny kristianina rehetra, mba hanao ho lohalaharana ny hafaliana hibanjina, izay vao ny hafaliana hanana...
♦ Mitarika amin'ny ampaham-bato azo, any amin'ny Distrika maro eto amin'ny nosy, ny kandindàn'ny IRMAR araka ny fironana voaray avy eny amin'ny CENI. Misy amin'ireo Solombavam-bahoaka nirotsaka amin'ny alalan'ny Firaisankina no tsy ho tafaverina eny Tsimbazaza... ♦ Mitaraina amin'ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana farany teo ny kandidà tao amin'ny Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra, Ramboasalama Emilien. Miahiahy amin'ny fanodinana ny vatony kosa ny kandidà tsy miankina ao Belo amoron'i Tsiribihina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco