Boky voalohan’ny mpanjaka (1 Mpanj. 19, 9a. 11-16)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany antendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba, i Elia,
dia niditra tao anaty zohy ka nandry tao.
Ary hoy ny Tompo taminy:
“Mivoaha ianao,
ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo,
fa indro handalo ny Tompo.”
Dia nisy rivotra be sady mahery,
nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy,
teo alohan’ny Tompo;
nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo.
Nanarakaraka ny rivotra, nisy horohoron-tany,
nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo.
Nanarakaraka ny horohoron-tany, nisy afo koa,
nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo.
Ary nanarakaraka ny afo, nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Ka raha nandre izay i Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny,
ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy.
Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe:
“Maninona aty ianao, ry Elia?”
Ary hoy ny navaliny:
“Feno hafanam-po ho an’ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho,
fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely,
ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra,
izaho irery sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.”
Fa hoy ny Tompo, taminy:
“Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasy;
ka rahefa mby any ianao, hosory ho mpanjakan’i Siria i Hazaela,
hosory ho mpanjakan’i Israely i Jehoa, zanak’i Namsî,
ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak’i Safàta,
avy any Abela Meholà.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 26, 7-8a. 8b-9abd. 13-14
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso!
Iantrao aho, ka valio!
Tadiavo ny Tavany, hoy ny foko mantsy Anao.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao!
Aza afenina ahy, ny Tavanao!
Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!
Ry ilay Mpitahy ô, aza manary!
Ry Andriamanitra Mpamonjy ô, aza mahafoy!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny Tanin’ny Velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 27-32)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mijangajanga?’
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.Ary efa voalaza koa hoe:
‘Na iza na iza hisaotra ny vadiny, aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.’
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady,
afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy;
ary izay manambady ny voasaotra dia mijangajanga.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hotanterahana anio manomboka amin'ny 10 ora maraina eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana fankalazana ny fetim-pirenena sy ny fetin'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Hampahafantarin'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo anio amin'ny 10 ora maraina eny Tsimbazaza, ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitisana... ♦ Andro faharoa ho an'ny hairanty ho an'ny sehatra tsy mainkina misahana ny fahasalamana ny anio. Tanjona amin'izany ny fanatsarana ny fitsaboana...
♦ Nitsangana androany ny Kômity Miaro ny Safidim-bahoaka. Fitoriana telo sosona no hapetraky ny Vovonana Firaisankina, noho ny ambaran'izy ireo fa hosoka sy fanodikondinana ny safidim-bahoka, tamin'ny fifidianana teo... ♦ Manoso-kevitra ny hamoahan'ny CENI ny voka-pifidianana isaky ny birao fandantsaham-bato ny KMF/Cnoe. Namoaka fanambarana androany ity kômity ity, manoloana ny toe-java-misy eto amin'ny firenena...
♦ Manohy ny fivoriana ara-potoana voalohany nihato nandritra ny fampielezan-kevitra indray ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza androany. Hotapahana mandritra izany ny tohin'ny fandaharam-potoana... ♦ Hanangana amin'ny fomba ôfisialy ny Kômity Miaro ny Safidim-Bahoaka na ny KMSB ny Vovonana firaisan-kina. Mivory eny Ambohimanambola ireo kandidàn'ny Firaisan-kina rehetra manerana ny nosy, tamin'ny fifidianana solombavambahoaka... ♦ Manohana an'i Madagasikara amin'ny fampiroboroboana ny fambolena indrindra fa ny voly vary ny fitondrana Koreana tatsimo. Vita sonia omaly ny fifanarahana momba izany... ♦ Niaiky ny maha tompon'antoka azy ireo tamin'ny fanafihana sekoly nandray mpitsoam-ponenana ny palestiniana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco