♦ Notanterahana ny 2 sy ny 3 aprily 2024, teny amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny asa famondronana ny hevitra avy amin'ny Diôsezy, famaliana ireo fanontaniana nivoitra tamin'ny Sinaodin'ny Eveka, andiany voalohany, natao tany Rôma ny volana ôktôbra 2023... ♦ Manatanteraka ny “Chapitre Provincial”, andiany faha-11, ety amin'ny Miason Don Bosco Ivato, nanomboka ny alarobia 3 aprily 2024, ny fikambanan-drelijiozy Salezianin'i Don Bosco...

Nitondra fampivoarana teny amin'ny tontolo ambanivohitra tamin 'ny alalan'ny fampitana ny teknikam-pamokarana samihafa ny fikambanana Fambolena sy Teknolojia any Ambanivohitra na ny FTA. Nampivoatra sy nampiova ny fomba fijeren'ny tantsaha momba ny famokarana ny haitao naparitak'izy ireo...

♦ Mampitandrina izay ho kandidà hirotsaka amin'ny anaran'ny antokon'ny fitondrana any amin'ny Faritra Amoron'i Mania, ny fikambanana FATARA, fa tsy hahazo ny vaton'izy ireo intsony, teo anatrehan'ny nanasorana an-dRamatoa Christine Razanamahasoa tsy ho Solombavam-bahoaka... ♦ Misy amin'ireo kôperativa sasany mampitohy ny fitaterana amin'ny Lalam-pirenena faha-6, no nanapa-kevitra tsy hiasa hatramin'ny fotoana nahatapaka ny làlana... ♦ Nanainga androany hiazo ny faritra avaratry ny nosy ireo fanampiana ho an'ireo tra-boina sy nitondra takaitra tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Gamane...

Zava-dehibe ny fandraisana anjara sy fanomezan-danja ny tsirairay eo anivon'ny fiaraha-monina. Ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia manana tetik'asa efatra ka isan'izany ny fikarohana sy fikirakirana tahirin-kevitra, mahakasika ny tontolo iainana, ny fampandrosoana lovain-jafy, ny hai-tondra sy ny hai-taky, eo koa ny fampiofanana. Ny fikarohana dia isan'ireo fototra lehibe entina handraisana fanapahan-kevitra mahomby ho an'ny fiaraha-monina sy ny firenena ; fitaovana entina mamantatra ny filàna sy ny zava-misy... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...