♦ Tsy navela hanaterana fehezam-boninkazo teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny maraina teo. Tsy nahasakana ireo mpikamban'ny "hetsiky ny 13 mey" tonga teny an-toerana anefa izany... ♦ Tale teo aloha 36 isa eo anivon'ny JIRAMA no miatrika fitsaràna eny amin'ny PAC androany. Vesatra hanenjehana azy ireo amin'izany ny fandraisana tambin-karama mihoam-pampana izay misy tafakatra 1 miliara Ariary... ♦ Niitatra tamin'ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ilay tranga fitifirana tovolahy tetsy Antalamohitra-Ambohibao ka nisy ireo naratra... ♦ Noesorin'i Vladmir Poutine ny Ministry ny Fiarovana Rosiana, Sergueï Choigou. Fanesorana no fanovàna tampoka ireo mpikamban'ny governemanta, alina...
♦ Napetraka ho Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, araka ny fomban'ny Eglizy omaly, i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa... ♦ Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko ny biby arovana sy hazo sarobidy amin'izao manakaiky fifidianana izao. Tranga efatra no niseho tato ho ato, hoy ireo Fiaraha-monim-pirenena 73, raha nanao fanambaràna ny sabotsy teo... ♦ Tafakatra hanao "Mondial" diviziôna fahatelo ny ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny baolina lavalava. Lasan'i Afrika atsimo ny tompondakan'i Afrika, nandritra ny lalao teny Andohatapenaka omaly tolak'andro... ♦ Mbola mitohy ny fanafihana ataon'ny tafika israeliana any amin'ny Faritra Gaza. Teratany palestiniana 20 isa no namoy ny ainy tany Jabalyia, vokatr'izany omaly...
Alahady fahafito fankalazana ny Paka : Fitiavana sy fahamarinana no tena endrik'i Kristy Fitiavana ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona. Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. Ny votoatin'ny Evanjely anio dia ny fisarahana mahamenatra eo amin'ny olona sy ny fiangonana ; misy koa ny fisarahana izay efa tsinjon'i Kristy mialoha dia ny fisarahan'ny mpianatra amin'ny fitoriana ny filazan-tsara, eo koa ny fahasimban'ny firaisana Aminy, ary anton'ny vavaka nataon'i Jesoa hoe : Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo...
♦ Natao teto Antananarivo nandritra ny telo andro ny fivoriana voalohany fiomanana amin'ny fanolorana ny pôlitika ara-barotr'i Madagasikara any amin'ny OMC, na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra... ♦ Nidina ny vidin'ny vary gasy manerana ny distrika miisa 9 any amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Anatin'ny fararano fiakaran'ny vokatra ny any an-toerana amin'izao fotoana izao... ♦ Tsy mbola mivaha hatramin'izao ny olan'ny fananan-tany ao amin'ny kaominina Betsoana distrika Mandoto Faritra Vakinankaratra. Miantso ny fitondrana hamaha ny olana misy ny mponina ao an-toerana... ♦ Mbola miaina tondra-drano govana ny any Bresil amin'izao fotoana izao. Olona 100 mahery no maty...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco