Ny "aphte" dia aretin'ny ati-vava, fery tsy lalina, tsy mandeha ra, tsy mamindra. Ny faritra mety hisy azy : lela, atin'ny takolaka, ankanjo-nify, lanilany, ati-tenda ; ny endriny dia boribory mavo na volon-davenona, voadidina mena. Ireo antony mahatonga azy : ati-vava voakitika matetika, vokatry ny fampiasana anesthésie, ny fihinanana sakafo mamay loatra, fampiasana borosy-nify mahery loatra, reraka, tratran'ny hitakitaka, fikorontanan'ny tsirim-panentana, tsy fahazakana fanafody. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Mbola tsy marin-toerana ny vidim-bary na dia anatin'ny vanim-potoanan'ny fararano aza isika hoy ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Tompon'andraikitra voalohany amin'izay olona hofidiny hisolo vava azy ny olom-pirenena ka tokony hahay haka lesona amin'ny fihetsika sy ny endrika fanambakana ataon'ireo kandidà hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena... ♦ Ahitàna fidinany ny maripàna ambany ho an'ny afovoantany ary somary hangatsiak&a ny maraina ao anatin'ny telo andro manaraka... ♦ Miisa 21 ireo fiaramanidina sinoa nihaodihaody eny an'habakabak'i Taïwan androany maraina. Efa vonona sy manara-maso izany ny tafika mitam-piadiana ao Taïwan...
♦ Hitohy anio amin'ny alalan'ny diabe am-bavaka hihazo ani Vohipeno ny Pelerinazy miaraka amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay tanterahana ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana... ♦ Hisy fiatraikany goavana amin'ny andavanandrom-piainan'ireo olona manana tany voakasik'ilay fanamboaran-dalana miainga eny Andranotapahina mihazo ety Ivato, ny fanohizana ny asa ka mangataka ny hampitsaharana izany izy ireo... ♦ Mbola ho sarotra ny hahavitan'ireo solombavambahoaka ny andraikitra nankinina amin'izy ireo raha toa ka tsy hahazo ny maroan'isa eny Tsimbazaza ny mpanohitra hoy ny filoha nasiônalin'ny antoko Teza... ♦ Tsy mbola naneho hevitra manoloana ilay valim-panafihana nataony tany Iran i Israel...
Ny Jenezy dia mampiseho antsika ny toetr'olombelona manana fahatokiana tsy manam-petra an'Andriamanitra. I Abrahama, be fitiavana no nahatoky voalohany. Resy lahatra izy fa afaka manolotra vehivavy sahaza ho an'ny zanany Andriamanitra. Tsy ara-nofo fotsiny ny maniry hanana tokan-trano fa mila mahatoky an'Andriamanitra. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco