♦ Feno herin-taona anio ny naha-voafidy an'ny Mgr Robert Francis Prevost ho mpitantana ny Fiketrahana Masina ka nifidianany ny anarana hoe Pape Léon-XIV... ♦ Niditra an-tsehatra nitory ireo heveriny ho atidoha ka nahatonga azy hialokaloka dimy taona tany am-ponja, noho ny heloka tsy nataony Andriamatoa Rahajason Harry Laurent (Rolly Mercia)... ♦ Nanome baiko ampahibemaso ireo ministra mpikamban'ny governemanta ny Praiministra mba hidina hijery ny fampirantiana ireo voka-pikarohana atao eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo. Hadinina amin'izy ireo mandritry ny filan-kevitry ny Ministra, hoy ny Praiministra...
Manambara ny firaisan'i Kristy sy ny Eglizy ny fifankatiavan'ny mpivady. Aoka tsy ho adinoina velively fa Andriamanitra no loharanom-pitiavana, ary izany fitiavan'Andriamanitra izany no fototry ny fifankatiavan'ny mpivady. Noho izany fitiavan'Andriamanitra izany dia ny mpivady no endrika iray lehibe hisehoan'ny firaisan'i Kristy sy ny Eglizy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny tetik'asa ANKIZY tohanan'ny fikambanana ASMAE. Nampahafantatra ny vokatra azo nandritry ny 9 taona nanaovana ny tetik'asa izy ireo omaly... ♦ Hotohizan'ny BNGRC any amin'ny Faritra Atsinanana ny andiany faharoa amin'ny fandaharan'asan'ny fitondram-panjakàna hanampiana ireo olona marefo noho ny tsy fahampian-tsakafo. Nisitraka fanampiana ireo tokantrano marefo tao amin'ny kaominina Sandroy... ♦ Nidina ifotony nifanakalo hevitra tamin'ireo vondron'olona ifotony ao ANJA, Distrika Ambalavao - Matsiatra Ambony ny Filohan'ny Antoko FY-M Raderaniriana Sendrison Daniela...
Ny fanavaozana dia mila fifampatokisana, fahamarinana ary fitiavana. Ilaina ny fametrahana fitsipi-pifehezana mba hisorohana ny fifanipahana. Ny fanambarana hita eny amin'ny tambazotra sôsialy dia sintona lakolosy fanairana sy fampitandremana ary tena fitiavana hampandroso, indrindra raha tena matotra sy marina ny vaovao atosany fa tsy fakom-baovao na hitondra korontana. Miankina amin'ny fanabeazana sy ny sandam-bola ny fandrosoana satria ireo dia mahakasika ny olom-pirenena tsirairay mivantana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco