Ny Manisotra dia vondron'olona nosokajiana ho mpiantafika sy mpiady tamin'ny andro nanjakan'Andriamasinavalona. 30 lahy no niatombohan'ny Manisotra, izay voairaka haka ny tanànan'Ambohimasina, izay niova ho Ambohijoky rehefa azon'ireo iraka. Taranaka vazimba, taranaka Zanamahazomby izy ireo, olona matanjaka sy mahay miady ary lian-dra, lehilahy manidina sy mahery, maranin-tsaina ihany koa ireo Manisotra. Maro ny faritra sy ny tanàna no nanirahana ireto Manisotra ireto mba hakana fanjakana ka isan'izany ny tao Fenoairivo, Ambatodrazaka ary Tsienimparihy...

♦Nampanantena fomba fiasa mangarahara ny filohan'ny CENI nandritry ny fivoriana voalohany namoriana ireo mpisehatra amin'ny fifidianana teny amin'ny foibeny... ♦ Hijery ny fomba hanovana ny lalàna momba ny raharahan-tany ireo mpiasan'ny fitsaràna mandritra ny fikaonandohan'izy ireo. Ny ady tany izay anisan'ny loha-laharana amin'ireo raharaha tonga eny amin'ny Fitsaràna... ♦ Hampiato vonjimaika ny asa fanaony ireo mpaka sary an'habakabaka (droniste), noho ny fepetra napetraka amin'ity sehatra ity. Namoaka fanambarana momba izany izy ireo, omaly...

Ny mpino tsirairay dia mila mijoro mitondra ilay fihavanana mafy orina. Mampitombo harena ao anatin'ny fahasamihafana. Tsy manaiky ho resin'ny kolontsaina tsy mitovy. Olona vonona hifankatia, olona vonona hiray saina ; ny fiaraha-monina kely misy antsika dia tokony ho môdely azo halaintahaka ho an'ny hafa noho ny fahaizantsika mihavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

♦ Nafana ny ady hevitra momba ny fifidianana, androany, nandritra ny sehatra ifampidinihina maharitra nokarakarain'ny CENI teny Alarobia... ♦ Misitraka ny zony ireo mpiadina BEPC manana fahasembanana ara-pihainoana ao amin'ny AKAMA. Miisa 12 izy ireo no miatrika ny fanadinana... ♦ Hampiato vonjimaika ny asany ireo paka sary an'habakabaka matihanina, ireo mpisehatra mpaka sary sy horonan-tsary amin'ny Drones... ♦ Nanambara nny faharavan'ireo fahefana mpanapaka misy azy ao amin'ny faritra GAZA, androany, ny vondrona Islamista Palestiniana Hamas, izay nitantana io faritra io tao anatin'ny 20 taona...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...