♦ Ho tanterahana ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana. Lohahevitra entina hiainana io Kôngresy io ny hoe: “Ny fihavanana no manasitrana izao tontolo izao. Mpiray tampo avokoa ianareo rehetra”... ♦ Nanentana ny rehetra hametraka amin'ny toerana ambony ny asa fanabeazana, i Mgr Jean de Dieu Raoelison, ary nanome hafatra sy fampianarana mifantoka amin'izay asa fanabeazana izay, tao anatin'ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Joany Bosco...

Loza mitatao ho an'ny fambolem-bary eto Madagasikara ny aretim-bary ateraky ny bakteria ka mila ny fiaraha-mientan'ny mpisehatra rehetra ny ady atao aminy. Miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny ny aretina malazo ravina na ny BLB sy ny aretina tsipika amin'ny ravina na ny BRS raha toa ka ny volana desambra 2019 no nahitan'ny mpikaroka voalohny azy teto Madagasikara.

♦ Nanomboka nangorona entana teny Ampefiloha ny orinasa Canal 7 Event's. Tonga hanafoana ny fifanaraham-piaraha-miasa 3P amin'ity orinasa ity ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon'andraikitry ny minisitera, ny maraina teo... ♦ Andrasana ny fanadihadiana momba ilay 154 tapitrisa Ariary, teny amin'ny Antenimieram-pirenena. Vola saika hividianana fahana, saingy nisy nanodinkodina... ♦ Tombontsoa lehibe azon'i Madagasikara tamin'ny COP-28 natao tany Dubai, ny hisitrahana ilay tahirim-bola hamatsiana ireo firenena marefo amin'ny fiovan'ny toetrandro...

Tsara ary ilaina ny mamboly hazo. Tokony atao ny fambolen-kazo izay tokony hanaraka ny fenitra ara-teknika mba hampahomby sy hatratrarana ny tanjona. Anjara biriky ny tsirairay amin'ny fikajiana ny tranobe iombonana ny fambolen-kazo. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin'ny fanjohina ny fambolen-kazo natao, ahafantarana ny vokatra azo. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...