♦ Mazoto nisoratra anarana tanaty lisitry ny mpifidy, ny mponina any ambanivohitra, tamin'ny RAL na ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana... ♦ Hatomboka any Faux-Cap, Distrikan'i Tsihombe ny sekolin'ny jono, ary hitarina amin'ny faritra hafa manerana ny nosy... ♦ Teknisianina sy tantsaha mpampiatra miisa 20 mianadahy no niofana momba ny fiompiana sy famokarana tantely, nandritra ny telo andro...
♦ Hisy fiomam-panahy iombonana ho an'ny Kôngresy Eokaristika nasiônaly amin'ny Radio Katôlika manerana an'i Madagasikara... ♦ Ny faharetana amin'ny finoana no hery entina miady amin'ny hakamoana sy ny tsy firaharahiana ny fianana anaty, hoy ny Papa François... ♦ Fiarovana ny tontolo iainana no hetsika ataon'ny tanora ao Ghanà ho fiainana ny karemy...
Mbola malalaka ny lalam-barotra any ivelany ho an'ny vokatra tantely. Manana fiaraha-miasa ahafahana manondrana vokatra hatrany amin'ny 18 taonina isan-taona ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly. Lalam-pihariana atao laharam-pahamehana ao amin'ilay tetik'asa andiany farany iarahan'ny FFF FAO na ny Farm and Forest Facility sy ny Tranoben'ny Tantsaha ny fiompiana tantely.
♦ Hifarana vonjimaika amin'ny faran'ity volana ity ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy. Mandray ny karine avy any amin'ny Fokontany ny CENI ankehitriny, ary mandika ny anarana ao anaty ordinatera... ♦ Mitohy androany eny amin'ny Lapan'ny Akademia Malagasy, eny Tsimbazaza, amin'ny alalan'ny loabary an-dasy ny hetsiky ny FIMPIMA... ♦ Kaominina miisa telo no voakasiky ny tetikasa fanajariana vaovao atao ao Bas-Mangoky, ka manohitra ny fangalana ny taniny ireo mponina...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco