♦ Mirongatra ao amin'ny distrikan'i Betroka amin'izao fotoana izao ny aretina tazomoka, ireo zaza latsaky ny dimy taona teo aloha no tena lasimbatra tamin'izany siangy efa miitatra amin'ny tanora ihany koa ny aretina ankehitriny... ♦ Heverina handalo fankatoavana mandritra ny fivoriana ara-potoanan'ny antenimieram-pirenena ilay fehezan-dalàna mifehy ny asa vaovao hoy ny Ministry ny asa, asa-panjakàna ary Lalàna Sôsialy... ♦ Miisa 450 ireo mpiraki-draharaham-pitsarana ho raisina mandritra ny fanadinana fifaninana tanterahina amin'ity taona ity hoy ny Ministra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana...
♦ Nitombo 5,32% amin'ny isan'ireo mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy taorian'ny fanavaozana isa-taona izay nifarana omaly... ♦ Atao fitaratra ho an'i Afrika amin'ny fanatsaràna ny sôsialim-bahoaka i Madagasikara ato anatin'ny dimy taona hoy ny filoha Rajoelina Andry tany Antsirabe omaly... ♦ Mitohy hatrany ny fampidirana resaka pôlitika amin'ny tontolon'ny fanabeazana hoy ny Konfederasiôn'ny SEMPAMA... ♦ An'arivony ireo olona voatery nafindra monina noho ilay afo sy ny setroka miparitaka vokatry ny firehetan'ny ala ao Fort MC Murray any Alberta, Canada...
♦ Niakatra 5,32% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy, tao aorian'ny fanavaozana isan-taona izay nikatona androany... ♦ Mitohy hatrany ny fampidirana resaka pôlitika eo amin'ny tontolon'ny fanabeazana, hoy ny Kônfederasiôn'ny Sempama... ♦ Nanomboka nihodina omaly ny orinasa mpanodina ny ovy ho lasa chips, any Faratsiho...
Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 13-20)
Ry kristianina havana,
misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka.
Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy;
ary aoka ireo no hivavaka eo amboniny sy hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo.
Ary ny vavaky ny finoana dia hamonjy ny marary;
hanasitrana azy ny Tompo, ary raha nanota izy dia havela ny fahotany.
Koa mifampieke fahotana ianareo;
ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo;
fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa.
Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany,
ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana;
ary nivavaka indray izy, vao nandatsaka ranonorana ny lanitra,
ka nahavokatra ny tany.
Ry kristianina havana,
raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana,
ka misy anankiray mampibebaka azy,
dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany,
dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 140, 1-2. 3 sy 8
Tompo ô! miantso Anao aho! faingàna ho eto amiko!
Henoy ny feoko, fa miantso Anao aho!
Ny fivavahako anie hisandratra toy ny emboka manitra anoloanao!
Ametraho mpiambina ny vavako, ry Tompo!
Arovy ny varavaran’ny molotro!
Fa izaho kosa, ry Tompo, miandra any aminao!
Ianao no ifefeko aza afoy ny fanahiko!
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)
Tamin’izany andro izany,
nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana,
nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe:
“Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo,
satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo,
fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra any.”
Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco