♦ Nanomboka nangorona entana teny Ampefiloha ny orinasa Canal 7 Event's. Tonga hanafoana ny fifanaraham-piaraha-miasa 3P amin'ity orinasa ity ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon'andraikitry ny minisitera, ny maraina teo... ♦ Andrasana ny fanadihadiana momba ilay 154 tapitrisa Ariary, teny amin'ny Antenimieram-pirenena. Vola saika hividianana fahana, saingy nisy nanodinkodina... ♦ Tombontsoa lehibe azon'i Madagasikara tamin'ny COP-28 natao tany Dubai, ny hisitrahana ilay tahirim-bola hamatsiana ireo firenena marefo amin'ny fiovan'ny toetrandro...
Tsara ary ilaina ny mamboly hazo. Tokony atao ny fambolen-kazo izay tokony hanaraka ny fenitra ara-teknika mba hampahomby sy hatratrarana ny tanjona. Anjara biriky ny tsirairay amin'ny fikajiana ny tranobe iombonana ny fambolen-kazo. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin'ny fanjohina ny fambolen-kazo natao, ahafantarana ny vokatra azo. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Hitohy anio eny amin'ny Lapa Maitson'Anosikely, ny fanoloran'ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny fandaharan'asa ankapoben'ny fanjakana... ♦ Fandikan-dalàna no andikan'ny Minisitra teo aloha, ny Jeneral Tsaranazy Jean Emile, raha toa ka hampiarahana ny fifidianana eny anivon'ny kaominina sy ny Solombavam-bahoka... ♦ Tsy mety ho marin-toerana ny vidin'ny vary sy ireo entana ilaina andavanandro eny an-tsena...
Ampianaro ny taranaka : tsy mety ny mampianatra ny taranaka hamalifaty ; ezaho hatrany ny mampianatra ny taranaka hahay hizara. Isan'ny tombony ho an'ny zokiolona sy ny ray aman-dreny ny fahafahana mizara ny fahaiza-miaina. Izay manoro lalana mahitsy mampita aina. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco