♦ Tsy mihemotra amin'ny fampiharana ilay lalàna momba ny famosirana ireo lehilahy mpanolana ankizy tsy ampy taona ny fitondram-panjakàna na misy aza ny fanakianana ataon'ireo mpiaro ny zon'olombelona. Fanambarana nataon'ny mpitondra tenin'ny governemanta Rakotondrazafy Lalatiana... ♦ Hanohy ny asan'ny maha mpanolontsainan'ny tanànan'Antananaivo Renivohitra aza Ramatoa Ravololomanana Lalatiana. Tsy ho PDS ho an'ny tanànan'Antananarivo ny tenany araka ny nambarany omaly... ♦ Mbola hitoetra hatramin'ny anio ny alondrano any amin'ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon'ny nosy. Mbola hahazo vahana ihany koa hatramin'ny anio ny oram-baratra ho an'ny afovoan-tany sy ny faritra afovoany atsinan'ny nosy...

Ny fiangonana dia tsy manaiky ny fanalalahana ny zava-mahadomelina malefa, tokony beazina ny feon'ny fieritreretantsika tsirairay amin'ny alalan'ny fivavahana sy fandinihana isan'andro. Tanjon'ny fiangonana ny hanabe sy hanentana ny mpikambana ao aminy sy ny fiaraha-monina mikasika ny loza ateraky ny zava-mahadomelina, manome fanohanana ara-panahy, mifanampy amin'ny fikambanana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

29 febroary 2024 — Alakamisy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)

♦ Tsy hihemotra amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny famosirana ireo mpanolana ankizy, ny fitondram-panjakana... ♦ Tsy ho isan'ireo delegasiôna manokana, hitantana vonjy maika ny tanàn'Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Lalatiana Ravololomanana... ♦ Mirongatra ny aretin'omby besoroka, any amin'ny Kaominina Andriandampy, tapany avaratry ny Disitrikan'i Betroka, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka tamin'ny mpanao gazety...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...