♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...
♦ Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin'ny solombavambahoaka IRD izay mitaky ny fandraisana andraikitra amin-dRamatoa Razanamahasoa Christine filohan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mbola maro ireo fepetra tsy voahaja hahafahana miroso amin'ny fifidianana tena lavitry ny herisetra raha ny zava-misy ankehitriny hoy ny tamba-jotra misoroka ny fifandirana amin'ny fifidianana na ny ROPE... ♦ Misedra olana goavana ny mpiasa malagasy hoy ny eo anivon'ny Valaben'ny Sendikan'ny mpiasa malagasy na ny SSM... ♦ Natokan'ny fitondrana rosiana ho andro fisaonana omaly alahady taorian'ilay asa fampihorohoroana nitranga tao Moscou...
♦ Nanaporofo ny fisarahan-dalana eo aminy sy ny fitondrana ankehitriny ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Milaza ho vonona sy hijoro ho vahaolana ny tenany saingy mbola tsy namaritra mazava ny dingana ho atao amin'izany... ♦ Miala sasatra noho ny fiatrehana ny herinandro Masina hidirana any amin'ny Paka ny sekoly katôlika eto Madagasikara raha toa ka manohy ny fianarana toy ny mahazatra ny sekolim-panjakàna... ♦ Iniana tsy resahana fa antony iray mampirongatra ny fanolanana ny fahantrana. Misy ireo ray aman-dreny manao sorona ny zanany raha ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazety Rina Raymond... ♦ Nahatsiaro am-bavaka ireo olona 137 maty tao Moscou ny Papa François...
Alahadin'ny sampan-kazo : fahatsiarovana ny nidiran'ny Tompo tao Jerosalema sy fandinihana ny nijalian'i Jesoa Kristy. Ho antsika dia nanolon-tena i Kristy, nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana, ho valin'izany dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy ary nomeny anarana ambony mihoatra ny anarana rehetra. Zavatra roa mifanohitra no hita taratra amin'ity fankalazana ity dia fifaliana, fiombiana ary fanamelohana, fivadiham-pitokisana. Misy ny tsy fahamarinana hita taratra tamin'ny fitsarana an'i Jesoa, mbola mitohy ny fijalian'i Jesoa isaky ny mandika izay voalazan'ny Evanjely, isika. Ho antsika izay hiaran'ny tsindry hazo lena dia ohatra ho antsika i Jesoa, banjino izy, raha mino isika dia hiara-velona aminy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco