♦ Azo atao tsara ny manala an-daharana ireo kandidà solombavambahoaka mandika lalàna hoy ny filohan'ny HCC Florent Rakotoarisoa... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana solombavambahoaka ny kôlektifa an'ny Malagasy saingy tsy hisy ny fifaninana eo amin'ny samy mpanohitra... ♦ Efa tara ny tsikera nentin'ny mpiara-miombon'antoka manoloana ny fahapotehan'ny lalam-pirenena hoy ny mpanao pôlitka Razanakoto Norbert... ♦ Mifanindran-dalana amin'ny fifidianana filoham-pirenena ao Rosia ny ady. Biraom-pifidianana miisa roa no niharan'ny fanaffihan'i Ukraine...
♦ Nitroatra ka nanaparitaka fako eran'ny lalana omaly ireo mpiasan'ny SMA noho ny tsy fandraisan'izy ireo karama. Nanomboka teny Ankadindramamy, Ampasampito, Avaradoha, Bel'Air hatreny Behoririka ny hetsika... ♦ Efa misy ny vola hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka hoy ny Filohan'ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo. Tontosa omaly ny sehatra ifampizaram-baovao sy ifanakalozana... ♦ Mitaky ny hamoahana ny didim-panjakàna fampiharana ny lalàna miantoka ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto Madagasikara ireo fikambanana misehatra amin'izany... ♦ Tsy eken'ny ONU ny fanatanterahana fifidianana filoham-pirenena, any amin'ny faritany bodoin'ny Rosia...
♦ Nankalaza ny Andro maneran-tany ho an'ny Zon'ny Mpanjifa isika teto Madagasikara androany. Lohahevitra tamin'izany ny hoe: Faharanitan-tsaina artifisialy sahaza sy tompon'andraikitra... ♦ Hampirisihana ny Malagasy hanao fizahan-tany anatiny, no anton'ilay tsenaben'ny fizahan-tany andiany faha-8, nanomboka androany eny amin'ny zaridaina Antaninarenina... ♦ Nandray ny delegasiôna avy amin'ny Sampandraharan'ny Firenena Mikambana misahana ny fanohanana ny tetikasa, na ny UNOPS, sy ny Banky Iraisam-pirenena, ny Filoha Andry Rajoelina androany...
♦ Nifantoka tamin'ny fikatsahana ny hafaliana amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Sinaodin'ny Diôsezin'i Farafangana, notanterahina ny 11 hatarmin'ny 15 marsa 2024... ♦ Mila mizotra mankany amin'ny lalan'ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena marina isika, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 13 marsa 2024... ♦ Nanamarika ny faha-11 taona naha teo amin'ny Fiketrahana masina ny Papa François ny antso amin'ny fampitsaharana ny ady sy ny fifampidinihana ho amin'ny fandriampahalemana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco