♦ Ny ady ho amin'ny fitovian-jo sy fampanajana ny zon'ny vehivavy, no mbola takiana ho antsika eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, Mialy Rajoelina, tany Toamasina... ♦ Mitaraina ireo mpandraharaha enina nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa nampakarin'ireo mpitrandraka any ifotony ny vidin'ny volamena... ♦ Nanjaka ny asan-dahalo tao amin'ny Fokontany Rangaina, Kaominina Fiaferana, Distrikan'Avaradrano. Nahazo “Poste fixe” ho an'ny zandary ity Fokontany ity...
♦ Naverina nosokafana ao Addis-Abeba, Ethiopie tamin'ny 13 febroary 2024 ny Biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina... ♦ Fanamby ho an'ny Salezian'i Don Bosco ny hanangana tontolo vaovao, araka ny fivoaran'izao tonotolo izao, hoy ny Recteur Majeur, ny Kardinaly Ángel Fernández Artime, tamin'ny fitsidihana miaraka nataony, ho an'ny Faritra Afrika sy Madagasikara... ♦ Hotanterahana ao Rôma ny 20 avrily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Kardinaly Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco maneran-tany...
♦ Omena sehatra ao anatin'izao vaovao antoandro izao ireo vehivavy, amin'ity datin'ny 8 marsa ity... ♦ Tsy misy fanavahana fa iharan'ny sazy avoko ireo rehetra voaheloka amin'ny fanolanana, ary efa nanome toromarika ny hampiharana ilay fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana, ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Efa manomboka milamina ny ao Manakara, tao aorian'ny fivoriana notarihan'ny Préfet any an-toerana...
♦ Natokana hanamarihana ny ady ho an'ny fitovian-jo feno ho an'ny vehivavy, ny andro anio 8 marsa... ♦ Tsy maintsy hirosoana ny fampiharana ny lalàna vaovao, ho an'ireo izay tratra manolana, hoy ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina... ♦ Miandrandra zotram-pifidianana malalaka, mangaragahara sy mampiaty ary azo itokisana, ireo fiarahamonim-pirenena miisa 22...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco