Tamin'ny nisian'ny valanaretina Covid-19 izay tsy nahafahana nifamezivezy no nanamafy orina ny fifandraisan'ny mpianakavy niombom-bavaka, nanamafy ny fifatoran'ny mpianakavy, afaka maneho ny heviny ny Zokiolona. Napetraka ny anjara-toeran'ny zokiolona fanomezam-boninahitra ireo ray aman-dreny izay nisahirana ho an'ny taranany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
Alahady fahatelo tsotra taona-B : Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna ; akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra, minoa ny Evanjely. Alahady fahatelo amin'ny volana Janoary dia natokan'i Papa Ray Masina ho amin'ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra, fotoana natao handiniana ny anjara toeran'ny Soratra Masina eo amin'ny fiainantsika. Ny tsy fahalalana ny Soratra Masina dia tsy fahalalana an'Andriamanitra. Nanohy ny fitoriana ny Evanjely efa nataon'i Joany ihany koa i Jesoa, miantso amin'ny fibebahana. Namela ny maha-izy azy, ireo mpianatr'i Jesoa nantsoiny hanaraka azy ary nihofo araka izay nampianarin'i Tompo...
21 janoary 2024 — Alahady Tsotra fahatelo Mandavantaona — Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; minoa ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)
Ny vitiligo dia ny "dermatologue" no tena mahafehy ny fitsaboina azy. Ny 2% amin'ny olona maneran-tany no tratran'ity aretina ity. Ny "vitiligo" dia toe-koditra miseho, mipentina fotsy vokatry ny fahasimban'ny sela "mélanocyte" izay singa mandoko ny hoditra, ity aretina ity dia tsy mifindra. Ny fomba fitsehony : misy faritra mihamazava ny hoditra ary somary mangididy. Ny karazan'ny vitiligo : actif, stable, segmantaire... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco