01 jona — Martiry tamin’ny taonjato faharo i Masindahy Justin, avy any Flavia Neapolis izy na antsoina hoe Naplouse any Palestine amin’izao fotoana izao. Mpanompo sampy ny ray aman-dreniny, nanan-katao tokoa izy ireo ary nandalina ny kolontsaina sy ny fiteny grika ka afaka tsara nampianatra an’i Justin.

Alahady faha-7 - taona D fankalazana ny Paka : Tokony hangetaheta ny mandrakizay isika ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo: handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Fanirian'i Jesoa no ho andian'ondry tokana antsika sy ho mpiandry ondry tokana no hiahy antsika. Ny môdelin'ny fiombonana dia ny fiombonana ao amin'ny Trinite Masina. Andriamanitra Ray dia toy ny masoandro, mamiratra ; ny Zanaka dia ireo tana-masoandro, mitondra hazavana ao an-trano sy mamono ny otrik'aretina samihafa, ny Fanahy Masina dia ny hafanana...

Tao anatin'ny taona vitsy dia betsaka ireo olona manana olana noho ny tosi-dra, misy ireo mamoy ny ainy misy ihany koa ireo mitondra takaitra. Manomboka amin'ny faha-30 taonan'ny olona dia tokony hanana fahazarana mitsapa ny tosi-dra. Misy ny fepetra ara-pahasalamana tokony harahina manoloana ny fiakaran'ny tosi-dra ; ny fandraisana ny fanafody dia tokony hajaina ny ora sy ny fatra. Ny antony mampiakatra ny tosi-dra : Fiakaran'ny taona, tarazo, be menaka ny ra, tsy fampiasam-batana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Loha-laharana amin'ny lentan'ny fanabeazana eto Madagasikara ny mpianatra mivoaka amin'ny sekoly katôlika ka mila tazomina izany, amin'ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra... ♦ Mila vola hatrany amin'ny 300 tapitrisa Dôlara ny fanatanterahana Tondro-zotra ho an'ny jono sy ny toe-karena manga eto Madagasikara... ♦ Manao antso ho an'ny Fanjakàna hametraka pôlitika fanaraha-maso ny fanajàna ny lalàna voavao mifehy ny asa ny sendikan'ny mpiasa FISEMARE. Mila hajaina sy hampiharina izay voalazan'ny fehezan-dalàna hoy izy ireo... ♦ Ady any Gaza : Tsy maintsy manaiky ny fifanarahana hampitsahatra ny ady i Israely sy Hamas...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...