♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i P. Jean Désiré Razafinirina, pretra diôsezanina avy ao Toliara... ♦ Hotontosaina ny 29 mey 2024, ny fifidianana Solombavam-bahoka; ary ny 6 nôvambra 2024, ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, raha ny vinavina tetiandro nambaran'ny CENI androany... ♦ Hiara-miasa amin'ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny mpianatra, sy ny fampidirana azy ireo eo amin'ny sehatry ny asa avy hatrany, ny Ivonteorana fanofanana araka asa ASFIFO, sy ny Université Catholique de Madagascar...
♦ Notendren'ny Papa François, androany 12 febroary 2024, ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, i Mompera Jean Désiré Razafinirina... ♦ Aina mamelona sy manamafy ny fifandraisan'ny fianakaviana amin'Andriamanitra, ny vavaka. Io no tari-dàlana pastôraly, natolotry ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, entina hifanentanana amin'ny mpino rehetra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, amin'ity taona 2024 ity... ♦ Nankalazaina omaly ny Andro Maneran-tany ho an'ny Marary andiany faha-32. Samy nanana ny fanamarihana izany ny isan-diôsezy...
♦ Efa eny am-pelan-tanan'ny governemanta ny vinavina amin'ny datim-pifidianana avy amin'ny CENI. Hotanterahana amin'ny 29 mey izao ny fifidianana solombavambahoaka ary ny 6 novambra ny fifidianana kaominaly... ♦ Tafiditra ao anatin'ny kajikajy pôlitika ny vinavina amin'ny tetiandrom-pifidianana navoakan'ny CENI hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Arahanao ato anatin'izao vaovao izao ny famintinan'ny Pr Armand Rasoamiaramanana ny zavatra niainany tamin'ny 11 febroary 1975... ♦ Nanaiky hihaona eo ambany fanarahamason'ny firenena mikambana ireo vondrona 2 mpifanandrina any Soudan...
Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i Mompera Jean Désiré Razafinirina, pretra diôseziana, avy ao Toliary, Rektoran'ny Seminera Zokiny, Masindahy Jean Baptiste, Vohitsoa-Fianarantsoa.Teraka ny 5 mey 1975 tao Manombo-Atsimo, Toliara-II i Mompera Jean Désiré. Ny taona 1994 ka hatramin'ny taona 1997 izy no nandalina ny filôzôfia tao amin'ny Seminera zokiny, Vohitsoa-Fianarantsoa. Rehefa vita ny roa taona nanaovany ny "stage de régence" dia niverina tao Vohitsoa izy nandalina ny Teôlôjia, ny taona 1999 ka hatramin'ny 2002...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco