♦ Niakatra 3,92% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana nandritra ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy nifarana vonjy maika ny 28 febroary teo, raha ny tatitry ny CENI omaly... ♦ Nodinihina sy nakan-kevitra tao Taolagnaro tamin'ny alalan'ny atrik'asa nandritra ny roa andro nifarana omaly ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana hena mena any amin'ny Faritra Atsimon'i Madagasikaraka... ♦ Hatsangana ny vondron'ny mpamokatra lavanila maneranan-tany. Resy lahatra ireo ministra sy solontena avy amin'ny firenena mpamokatra lavanila eran-tany nandray anjara tamin'ny fivoriana tany ABHU DHABI renivohitr'i Emirats Arabes Mitambatra... ♦ Tontosa omaly ny fandevenana ny nofo mangatsiakan'i Alexey Navalny...

♦ Niakatra 3,92% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy, tamin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitra, izay nifarana vonjy maika ny 28 febroary 2024, raha ny tatitry ny CENI androany... ♦ Nodinihina sy nakan-kevitra tao Tolagnaro, tamin'ny alalan'ny atrikasa nandritra ny roa andro, ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana hena mena, any amin'ny fatritra atsimon'i Madagasikara... ♦ Nanainga androany teto Antananarivo, nihazo ny Faritra Atsinanana, ny hetsika “Caravane de Santé” karakarain'ny fikambanana Fitia sy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka...

♦ Hotanterahina ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho eveka an’i Mgr Jean Désiré Razafinirina, Evekan’ny Diôsezin’ny Morombe… ♦ Hotanterahina ny 9 sy ny 10 marsa izao ny Andron’ny Vehivavy Misiônera Katôlika eto amin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Toetra mila fongorana ny fitsiriritana sy ny fitadiavana voninahitra foana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience générale ny alarobia lasa teo… ♦ Niverina ao Vatican ny Papa François, rehefa avy nanao ny fizahana ara-pahasalamana…

♦ Nahitana taham-piakarana 3,92% ny fisoratana anarana, raha mitaha amin'ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy farany. Izany hoe misy mpifidy vaovao miisa 432.578 ao anaty lisitra... ♦ Natomboka ôfisialy androany, tao amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga Be ao Mahajanga I, ny fanjonoana makamba... ♦ Nahatratra 44 ny isan'ireo ankizy tsy hita naharaisan'ny Pôlisim-pirenena misahana ny zaza tsy ampy taona fitarainana, tao anatin'ny roa volana, ho an'ny teto Antananarivo Renivohitra...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...