Ny toe-tsaina fototra entina miatrika fiainana no loha-hevi-dehibe noresahina nandritra iny taona iny : Fahaizana mandanjalanja, fahaizana manaiky sy miatrika fiainana, finiavana hanao ezaka ho fampandrosoana ny firenena, fametrahana toe-tsaina tia mifaninana, fanomezana hasina ny tena sy fanajana ny hafa, fitazomana ny teny nomena, fahaizana miaro sy mitantanana ny tontolo iainana mba ho lovain-jafy. Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin'ny Ramatoa Aliette Abraham.
♦ Hisy fiovàna ny sarin'ny filohan'i Repoblika hapetaka any amin'ny rindrin'ireo biraom-panjakàna rehetra manerana ny nosy. Namoaka tamin'ny fomba ôfisialy izany sary izany ny Fiadidiana ny Repoblika omaly... ♦ Nahatrarana vary efa simba 50 kaontenera nokasaina hodiovina tany Mahajanga omaly. Olona miisa 5 no efa natao fanadihadiana momba izao raharaha izao. Nogiazana ny fiara maromaron'ilay orinasa mpanadio ireo vary ireo... ♦ Olona miisa 4 hita faty tao an-drenivohitra nandritra ny fetin'ny Noely teo, raha ny tatitry ny Pôlisim-pirenena. Nahatratra hatrany amin'ny 65 isa ireo nosamborina... ♦ Olona 160 no maty vokatry ny fanafihana nataona vondron'olona mitam-piadiana tany Nigeria...
Ny anton'ny fahatongavana ho nofo dia ho fanatontosana ny asa famonjena. Araka ny fiekem-pinoana Nicée-Constantinople hoy isika hoe "... ary isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, ary naka nofo tamin'i Maria Virijiny Izy noho ny herin'ny Fanahy Masina ka tonga olombelona". Raha tena mino an'i Jesoa tonga olombelona dia miezaha ho mendrika. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
27 desambra 2023 — Masindahy Joany, Apôstôly — Fety — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 2-8)
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco