Ny mpiasa tany amin'ny angadin'omby dia hireharehany ny asany ary ny resaka ataony dia tsy misy afa-tsy mahakasika ny asany. Ny mpandrafitra sy ny mpanorina trano dia tsy mikely soroka amin'ny asany, ny mpanao sary sokitra dia mitady fomba hahatsara ary manovaova ny sary asehony. Ny mpanefy dia miaritra ny hafanana sy ny enton'afo ary ny kotaba amin'ny fivelesana ny vy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
21 desambra 2023 — Alakamisy, herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)
♦ Niakatra Fampanoavana androany, ny mpitandro ny filaminana 9 sy olom-boafidy roa ary olon-tsotra 5, voasaringotra tamin'ny fakana an-keriny tany Ankazobe... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Masoivoho frantsay, teny Ambatomena, indray androany ny Antenimieran'ny Ray aman-dReny ara-drazana sy Foko eto Madagasikara, na ny ARFM... ♦ Velon-taraina ireo mpampianatra mbola tsy nisitraka tambinkarama efa ho folo volana, any amin'ny CISCO Mandritsara...
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 1, 1-4. 11-12. 19. 23-27)
Fiantombohan’ny Boky Faharoan’i Samoela.
Nony maty i Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa i Davida
ka nipetraka tao Sikelega.
Tamin’ny andro fahatelo, intý nisy lehilahy anankiray,
avy tany an-toby, avy tany amin’i Saola,
ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany,
ary nony mby teo amin’i Davida izy
dia nidaboka tamin’ny tany, ka niankohoka.
Hoy i Davida taminy:
“Avy aiza ianao?”
Ary hoy ny navaliny azy:
“Nandositra avy tany an-tobin’i Israely aho.”
Dia hoy i Davida taminy:
“Ka nanao ahoana avy?
Tantarao amiko kely hoe.”
Ary hoy izy:
“Nandositra tamin’ny ady ny vahoaka,
ka be no nitsingidina sy maty tamin’ny vahoaka,
ary maty koa aza i Saola sy i Jônatasy zanany.”
Dia noraisin’i Davida ny fitafiany,
ka norovitiny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
Nanao ny fombam-pisaonana azy izy ireo,
nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan’ny andro,
nisaona an’i Saola sy i Jônatasy ary ny olon’ny Tompo sy ny tranon’i Israely,
satria lavon-tsabatra izy ireo.
Ary i Davida niventy izao hira fisaonana izao:
“Moa levona teny amin’ny tamponao va ny famirapiratr’i Israely?
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony,
ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka.
Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
Mitomania an’i Saola, ry zanakavavin’i Israely
fa notafiany jaky tao anatin’ny fahafinaretana ianareo;
noravahany volamena ny fitafianareo!
Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?
Voagorobaka teo amin’ny havoana i Jônatasy!
Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jônatasy rahalahiko!
Fa ianao ihany no fahafinaretako tanteraka,
mamiko noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao.
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Ahoana no nahafatesan’ny mpiady?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 79, 2-3. 5-7
Ry Mpiandry an’i Israely mandrenesa,
izay mitondra an’i Jôsefa toy ny ondry.
Ry mipetraka eo ambony kerobima,
efa Anao ny voninahitra, asehoy.
Eo alohan’i Manase sy i Efraima,
dia fohazy ny herinao hamonjy anay.
Rahoviana re ianao vao hitony
tsy ho tezitra amin’ny sisa izay tavela.
Raha ny mofom-pahoriana, dia efa voky,
ranomaso no gohinay hatrizay!
Fa izahay dia nanjary fanaraby,
sy faneson-dry zareo fahavalo.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)
Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy,
fa hoy izy ireo:
“Efa very saina Izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco