Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 6, 12b-15. 17-19)

Tamin’ny hobin-kafaliana sy feon’anjomara no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’i Israely.

Tamin’izany andro izany:
Niainga nandeha i Davida ka nampiakatra ny fiaran’Andriamanitra
avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida
nombam-panotrona maro niravoravo.
Nony namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ny Tompo,
dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.
Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’ny Tompo,
ary nisikina efôda rongony madinika.
Tamin’ny hobin-kafaliana sy ny feon’anjomara
no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’ny Tompo.
Nony tafiditra ny fiaran’ny Tompo
ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay
nasain’i Davida natsangana ho azy,
dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’ny Tompo i Davida.
Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy sorom-pivavahana
dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny Tompon’ny tafika izy.
Dia samy nomeny mofo mamy iray sy hena iray didy
ary ampembam-boaloboka iray avy ny vahoaka rehetra,
ny olona marobe rehetra amin’i Israely na lahy na vavy.
Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 7. 8. 9. 10

Mpanjakan’ny voninahitra iza moa izany?

‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao;
‘nareo varararana re, misondrota!
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza àry moa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompo mahery, ny Tompo tsitoha,
ny Tompon’ny tafika mahery an’ady.

‘Nareo vavahady atrakao ny tatao;
‘nareo varavarana re, misondrota.
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,
ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aieloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no rahalahiko, anabaviko ary reniko.

Tamin’izany andro izany,
tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny,
nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.
Fa nisy olona maro nanodidina Azy,
dia nilazana Izy natao hoe:

“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao.”

Fa novaliany hoe:

“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”

Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Miisa 86 ireo tokan-trano marefo ao Feferamanga-Arivonomamo kendrena hisitraka ilay tetik'asa "Ankohonana Miarina" hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Mitaky ny hamoahana ny préfet an'i Mahajanga any am-ponja ny sendika SYNAD, araka ny tinapak'ireo administrateur civil izay nivory ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nodimandry kosa Rakotomalala Henri na i Riribe izay fantatra tamin'ny fanoherana sy ny fitarihana ny federasiôn'ny Federasiôn'ny gadra pôlitika... ♦ Samy mbola mitàna ny heviny ny Israeliana sy Hamas Palestiana monoloana ny raharaha ao Gaza...

Alahady fahatelo tsotra taona-B : Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna ; akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra, minoa ny Evanjely. Alahady fahatelo amin'ny volana Janoary dia natokan'i Papa Ray Masina ho amin'ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra, fotoana natao handiniana ny anjara toeran'ny Soratra Masina eo amin'ny fiainantsika. Ny tsy fahalalana ny Soratra Masina dia tsy fahalalana an'Andriamanitra. Nanohy ny fitoriana ny Evanjely efa nataon'i Joany ihany koa i Jesoa, miantso amin'ny fibebahana. Namela ny maha-izy azy, ireo mpianatr'i Jesoa nantsoiny hanaraka azy ary nihofo araka izay nampianarin'i Tompo... 

♦ Taratry ny fitantanana an'i Madagasikara ny zav-misy eto amin'ny tanànan'Antananarivo amin'izao hoy ny vovonana Mamita... ♦ Nanomboka ny asa fanadiovana ireo lakan-drano sy fanesorana tsikafona ao amin'ny boriborin-tany voalohany sy fahaefatra ao Antananarivo-renivohitra tanterahan'ny BNGRC...  ♦ Manomboka maro ireo olona manantona ny toeram-pitsaboana tsy miankina eto Antananarivo mitsabo ilay aretina maso "conjonctivite bactérienne"... ♦ Miaramila miisa 90.000 no hahetsiky ny OTAN amin'ilay fanazaran-tena ara-miaramila tanterahina manomboka amin'io herinandro ambony io...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...