♦ Tokony ho ny Lefitra voalohan'ny Ben'ny Tanàna, no hotendrena ho PDS hitantana an'Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste Ecologique. Manaitra ny fitondrana izy ireo, hanendry izay hitantana ny Renivohitr'i Madagasikara... ♦ Olona 9 hatramini'zao no voarohirohy tamin'ilay fanafiahana nataon'ny dahalo 40 lahy, nahafaty ny Ben'ny Tanànan'Andranomiely, Distrikan'Ankazobe... ♦ Misy andro ratsy miforona indray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Misy ny fampitandremana navoakan'ny Météo, momba habetsahan'ny rotsak'orana amin'ny fairtra maro manerana ny nosy...

♦ Efa nanainga ny delegasiôna voalohany hanatrika ny fanamasinana sy ny fametrahana an'i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, ho Evekan'i Tolagnaro... ♦ Ho mafy ny sivana ho an'ireo maniry ho kandidan'ny antoko TGV, amin'ny fifidianana amin'ity taona ity. Hiainga eny ifotony ny fanapahan-kevitra, hoy ny Sekretera Nasiônalin'ity antoko ity... ♦ Nifanolanan'ny Fiangonana iray sy ny fikambanana tsy miankina kosa ny tany mirefy 1500 m2, eny Ambatomaro ankehitriny. Nihemotra indray raha tokony hiakatra Fitsarana anio, ity raharaha ity...

♦ Tsy hisy intsony ny fanolorana kandida miainga avy any ambony, ho an'ny antoko TGV, fa homena sehatra ireo mpikambana any ifotony amin'ny fanolorana ireo olona izay hitan'izy ireo fa mendrika hirotsaka hofidina amin'ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka... ♦ Tany mirefy 1500 m2 no nifanolanan'ny Fiangonana sy ny fikambanana tsy miankina iray, eny Ambatomaro... ♦ Hampiantrano ny fiadiana ny Tompon-dakan'ny Faritra faha-7, aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, eo amin'ny taranja Volley-Ball i Madagasikara, ny 22 febroary hatramin'ny 2 marsa 2024...

♦ Ny fanampiana ny hafa ho sambatra no tena fahasambarana eo amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, hoy ny Papa François, tamin’ny Vavaka Angélus… ♦ Meteza isika hanjakan’ny hatsarana entin’ny Tenin’Andrimanitra eo amin’ny fiainantsika, hoy ny Papa François… ♦ Apinga ho an’izay rehetra mitoky aminy ny Tenin’Andriamanitra, hoy i P. Wagner Randriamampandry, Vikera Jeneralin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Tontosa ny sabotsy 20 sy alahady 21 janoary ny lanonana fitsofan-drano an’i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, tao amin’ny Diôsezin’Ihosy…

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...