18 janoary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 7-12)
♦ Hanatsara ny lanjan'ny vola malagasy sy hampiroborobo ny toekarena ny vinan'ny Filoha, hanodina ny volamena sy ny lavanila, hoy ny Tale Jeneralin'ny INSTAT... ♦ Mari-toerana ny vidim-bary teny amin'ny tsena ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, ny faramparan'ny taona 2023 hatramin'izao fiandohan'ny taona 2024 izao... ♦ Nitsidika tampoka teny amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany teny Anosy, ny Minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nanao tombana sy nijery ireo sehatra mety hanatsarana ny fomba fiasa ny tenany...
♦ Mbola misy ireo olona tsy navotsotr'ireo olon-dratsy mpaka an-keriny any amin'ny Distrikan'i Belo-Sur-Tsiribihina. Miaina anaty fitaintainana hatrany ny fianakavin'izy ireo... ♦ Tokony hizotra am-pilaminana ny fifampiresahan'ny fitondram-panjakàna sy ireo vondrona mpaninjara solika, manoloana ny fifehezana ny vidin-tsolika hoy ny Ministry ny Angovo sy ny Akoron'Afo... ♦ Foana ny lalao saika handraisan'ny Ankoay anjara anio sy ny zoma izao noho ny fialan-daharan'ny ekipa Tanzaniana. Hiatrika ny dingana manaraka avy hatrany ny Ankoay afaka iray volana... ♦ Niharan'ny fisamborana ny olona miisa 22 any Belgique izay voarohirohy amin'ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina ka pôlisy ny miisa 3 tamin'ireo...
Ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana no antoky ny fivelaran'ny zanaka. Manandanja ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana, izay hampitain'ny ray aman-dreny amin'ny zanany. Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia fomba afahana mamelona indray ny fihavanana sy ny firaisan-kina, mamerina ny fifanajana. Ny Malagasy no tena mahalala ny atao hoe "fihavanana" izay teny malagasy tsy misy dika teny hafa. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco