♦ Hihahenjana ny fitandroana ny filaminana ao anatin'izao herinandro voatondro hanatanterahana ny fifidianana izao hoy ny prefet an'Antananarivo. Miaramila 4 sy sivily miisa 2, ary olona 11 no voasambotra nandritra ny hetsika fotsy ny sabotsy teo... ♦ Manomboka mandray sy mihaino ny mpisehatra pôlitika ny mpanara-maso ny fifidianana avy amin'ny SADEC izay efa manao ny asany eto Madagasikara... ♦ Efa niala teto Madagasikara omaly nihazo an'i Ghana ny delegasiôn'ny Barean'i Madagasikara hiatrika ny lalao fifanitsanana ho an'ny Mondial 2026... ♦ Manameloka ny fampiasan'i Hamas ny hôpitaly ho fitaovana amin'ny ady ifanandrinany amin'ny Israely ny vondrona erôpeana...
Tamin'ny andron'i Kristy : Lk 20, 25 : aloavy ho an'i Sezara izay an'i Sezara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra, tsy raisina ho fanehoana fifanoheran'ny mpitondra Fanjakàna sy ny mpitondra ny Eglizy fa famporisihan'i Jesoa ny mpanara-dia Azy hanaraka ny satan-tany. Tsy misaraka velively ny fiainana ny finoana sy ny fandraisana anjara amin'ny asa sôsialy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
13 nôvambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)
Ny fiangonana mampianatra mikasika ny fiaraha-monina sy ny hay fitantanana ary ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny ho an'ny vahoaka. Ny fiangonana dia mampianatra fa ny fahefana rehetra dia avy amin'Andriamanitra, natao hikatsaka ny soa iombonana ary ihany koa tsy manavakavaka ; mifanaja sy mifampitaona ho amin'ny fiombonana sy ny fihavanana.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco