♦ Matahotra mafy amin'ny ainy, ireo olona efa nahazo fandrahonana avy amin'i Leva, ilay Solombavam-bahoaka teo aloha, satria nambaran'izy ireo, fa efa tafavoaka ny fonjan'i Tsiafahy ny tenany... ♦ Nifanatri-tava mivantana teny Ampasampito indray androany, ireo manohana ny kandidà manao fampielezan-kevitra sy ireo mpanara-dia ny vondron'ireo kandidà, mandà ny hanatanterahana ny fifidianana amin'izao endriny izao... ♦ Mikatso noho ny tsy fanaovan'ny minisitra iray sonia ny fitakian'ny SECES, ny fampianarana eny amin'ny anjerimanontolo, hoy ny SECES sampana Antananarivo androany...

♦ Notsofin-drano sy noraisina omaly ny andiany Fihavaozana, mpamaky teny sy mpanotrona, ao amin'ny Grand Séminaire Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, Faliarivo Ambanidia... ♦ Nosokafana tao amin'ny Katedraly Fo Madion'i Maria, ny faha-25 taona niorenan'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Tanteraka ao amin'ny fitiva-namana ny fitiavana an'Andriamanitra, io no fampianarana netin'ny Ray masina, François omaly, nandritra ny vavaka Angélus...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 16, 3-9. 16. 22-27)

Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina.

Ry kristianina havana,
veloma any amin’i Priska sy Akilasy
mpiara-miasa amiko ao amin’i Jesoa Kristy;
nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo,
ka tsy izaho irery no misaotra azy,
fa ny Eglizy rehetra any amin’ny jentily koa,
ary veloma any amin’ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony.
Veloma any amin’i Epeneto malalako,
izay santatr’i Asia ho an’i Kristy.
Veloma any amin’i Maria, izay niasa mafy ho anareo.
Veloma any amin’i Andrôniky sy Joniasa havako
sy niara-nifatotra tamiko,
izay sady tsara laza amin’ny Apôstôly
no tao amin’i Kristy talohako aza.
Veloma any amin’i Anfiasa,
malalako ao amin’ny Tompo.
Veloma any amin’i Orbano,
mpiara-miasa amintsika ao amin’i Kristy,
sy i Stakisa malalako.
Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina.
Manao veloma anareo ny Eglizin’i Kristy rehetra.
Izaho Tersiosa,
izay nanoratra itý taratasy itý koa,
manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.
Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay,
mbamin’ny Eglizy rehetra.
Manao veloma anareo i Erasta,
mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna,
sy i Koartosa rahalahy.
Homba anareo rehetra anie
ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Amen.

Ary ho an’ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko,
izay nitoriana an’i Jesoa Kristy
sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay
(fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany,
araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay,
ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana)
dia ho an’Andriamanitra, ilay hany hendry anie,
ny voninahitra mandrakizay mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 2-3. 4-5. 10-11

Midera ny Anaranao mandrakizay aho, ry Tompo.
na: Hankalazaina mandrakizay e ny Anaranao, ry Tompo.
na: Ny Anaranao, ry Tompo, no omem-boninahitra.

Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny.

Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 9-15)

Raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza,
mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay
raha avy izay haharerahanareo.
Izay mahatoky amin’ny kely dia mahatoky koa amin’ny lehibe,
ary izay tsy marina amin’ny kely,
dia tsy marina koa amin’ny lehibe.
Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo,
iza no hametraka aminareo ny harena marina?
Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo,
iza no hanome anareo izay anareo?
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa,
fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray;
na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray.
Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.”

Ny Farisianina izay fatra-pitia vola
dia mba nihaino izany rehetra izany koa,
ka dia naneso Azy.
Fa hoy Izy tamin’izy ireo:

“Ianareo no mpanamarin-tena eo imason’ny olona,
nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo,
ary izay ambony eo imason’ny olombelona
dia fahavetavetana eo imason’Andriamanitra kosa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 15, 14-21)

Mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny jentily aho, mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily.

Ry kristianina havana,
izaho aloha, raha ny aminareo, dia matoky aho
fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo,
sady mahay mifananatra koa.
Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho,
toy ny mampahatsiaro anareo indray,
noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy
mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny jentily aho,
amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra,
mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily,
rahefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.

Koa mba manana rehareha ao amin’i Kristy Jesoa ihany aho
raha ny momba ny fanompoana an’Andriamanitra.
Satria tsy ho sahiko lazaina
raha tsy zavatra nampanaovin’i Kristy ahy,
mba hampanaiky ny jentily na tamin’ny teny aman’asa,
na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana,
na tamin’ny Fanahy Masina;
hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy,
dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria;
sady nalaiko ho voninahitra ho ahy
ny tsy nitory ny Evanjely afa-tsy tao amin’izay mbola tsy nanononana an’i Kristy,
mba tsy hanorina amin’izay efa nanorenan’ny sasany,
fa ho araka ny voasoratra hoe:

“Ireo tsy nilazana Azy dia hahita;
ary ireo tsy nandre ny aminy dia hahalala.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4

Naneho ny famonjeny tamin’ireo firenena ny Tompo.

Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany.
Fa tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.

Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjeny amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay Fitiavany tsy mivadika.

He zahao e, ry vazan-tany
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)

Hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy, noho ny zanaky ny fahazavana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray
nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy
fa nandany ny fananany.
Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe:

‘Ahoana izany fandrenesako anao izany?
Avoahy kely hoe ny fitandremanao,
fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.’

Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe:

‘Inona re no hataoko,
fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho itý?
Ny miasa tany moa tsy vitako,
ny mangataka indray mahamenatra ahy.
Aoka fa fantatro izay hataoko,
mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony
rahefa esorina amin’ny raharahako aho.’

Dia nampanalainy tsirairay
izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony,
ka hoy izy tamin’ny voalohany:

‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’

Dia hoy io:

‘Diloilo injaton’ny barika.’

Dia hoy ilay mpitandrina taminy:

‘Raiso ny taratasinao,
ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.’

Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray:

‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’

Hoy io hoe:

‘Vary injaton’ny famarana.’

Dia hoy ilay mpitandrina:

‘Raiso ny taratasinao,
ka soraty valopolo.’

Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina
satria nampiseho hafetsena,
fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao
amin’izy samy izy
noho ny zanaky ny fahazavana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...