Boky Eksaody (Eks. 19, 2-6a)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny efitr’i Sinaia ny zanak’i Israely,
dia nitoby tao an’efitra;
tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.
Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy,
dia nantsoin’ny Tompo tao an-tampon-tendrombohitra, ka nilazany hoe:
“Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba
sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:
Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta
sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery
ary ny nitarihako anareo ho aty amiko.
Koa ankehitriny raha mihaino ny feoko ianareo
sy mitandrina ny fanekeko,
dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra,
satria Ahy ihany ny tany rehetra,
fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 99, 2. 3. 5.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
tompoy an-kafaliana ny Tompo;
tongava eo anoloany amin-karavoana.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Izy no nanao: ka Azy isika,
vahoakany sy ondry andrasany.
Eny, tsara ny Tompo;
eny, mandrakizay ny fitiavany
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 6-11)
Ry kristianina havana,
fony mbola tsy nanankery isika,
dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy,
mba hamonjy ny ratsy fanahy.
Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina;
ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa.
Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika:
fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy;
koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao,
dia tsy maintsy afany amin’ny hatezerana mihitsy.
Satria raha fony mbola fahavalo aza isika
nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany,
mainka fa rehefa nampihavanina dia tsy maintsy voavonjy
noho ny fahavelomany tokoa.
Tsy izany ihany koa,
fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo:
Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 36 — 10, 8)
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia onena nahita ireto vahoaka be
nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”
Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy,
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera,
dia Andre rahalahiny,
Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny,
Filipo sy Bartelemy,
Tômà sy Matio ilay poblikanina,
Jakôba zanak’i Alfe sy Tade,
Simôna ilay Kananeanina ary Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay hirahin’i Jesoa
rehefa nohafatrafarany hoe:
“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
‘Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra’.
Sitrano ny marary,
atsangano ny maty,
diovy ny boka,
roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo,
koa manomeza maimaim-poana.”
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
Ny mpiara-miombon'antoka dia tokony iaina ny fahamarinana, ny fifampitokisana ary ny fifanajana. Ireo toetra fototra ireo dia hampiarina amin'ny sehatra rehetra izay hisian'ny fiombonan'antoka. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Neken'ny Ray masina François, ny taratasy fametraham-pialana nataon'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ara-pastôraly io Diôsezy io... ♦ Efa tafiditra tanteraka ao anatin'ny fandaminana ny Diôsezin'Antananarivo izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3... ♦ Ao anatin'ny fakalazana ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, dia misy ireo hetsika samihafa izay tontosain'izy ireo. Ao anatin'izany ny "JOTI Centenaire" sy ny Lasy nasiônaly, izay hotanterahanan'ny isan-diôsezy...
Neken’ny Ray Masina Papa Fransoa ny taratasy fametraham-pialana nataon’i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan’i Miarinarivo, hitsahatra amin’ny fitantanana ara-pastoraly io diôsezy io. Notendren’i Papa niaraka tamin’izany fanekena izany ihany koa ny Eveka hitantana vonjimaika ny diôsezin’i Miarinarivo dia i Mgr Fabien Raharilamboniana, Evekan’i Morondava ankehitriny sady Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco