Ny famonjena hoy isika dia "firaisana aina" amin'Andriamanitra sy "firaisana hina amin'olombelona rehetra. Ny Fanahy Masina no manamasina lalandava ny Eglizy ary mitondra ny mpino hanatona ny Ray, amin'ny alalan'i Kristy. Ny endriky ny fitantanan'ny Fanahy Masina dia mampiombona, mampivondrona, mampiray aina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

9 avrily 2025 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)

• Miankina amin'ny fahaizan'ny mpitondra miady hevitra sy mandresy lahatra no mety hidinan'ilay tataon-ketra 47 % takian'ny fitondrana Amerikana, hoy ny Depiote Imbiky Herilaza... • Mahatratra 14 tapitrisa Dolara ny vola very momba ny jono tsy manara-dalana ho antsika eto Madagasikara... • Mandalo eto Madagasikara manao tombana ny asa natao tamin'ny alalan'ny tetikasa notohanany, ny iraky ny RI-FAR avy any Frantsa...

♦ Hindrahindraina loatra ny fitsidihan'Andriamatoa Macron eto Madagasikara, raha mitaha amin'ireo filoha hafa, hoy ny Pr Ralison Roger. Nambarany fa mbola hita taratra ny fanjanahana ara-tsaina, amin'ny fandraisana azy... ♦ Nampitaraina ny maro fa lafo loatra ny saran-dalan'ny Madagasikara Airlines amin'ny zotra anatiny. Nitondra fanazavàna momba izany ity kaompania an'habakabaka nasiônaly ity... ♦ Mitaky ny hampiakarana ho 1.200.000Ariary ny karama farany ambany ny Randrana Sendikaly. Mendrika izany ny mpiasa malagasy, amin'ny fandraisan'i Madagasikara ny fitantanana ny SADC hoy ny avy amin'ity vondrona sendikà ity...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...