Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 25, 6-10a)
Amin’izany andro izany,
ny Tompon’ny tafika hanomana fanasana amin’ity tendrombohitra ity,
ho an’ny firenena rehetra, dia fanasana amin’ny hena matavy,
fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka,
divay ela niotrehana sy voatantavana.
Horovitiny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra,
mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay;
Andriamanitra Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra;
ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra;
fa efa niteny ny Tompo.
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany:
“Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy;
dia ny Tompo izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao fifaliana sy hiravo amin’ny famonjeny”.
Fa ny tanan’ny Tompo hipetraka amin’ity tendrombohitra ity.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6
Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny eo amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany.
Tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako:
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 12-14. 19-20)
Ry kristianina havana,
haiko ny mihafy, haiko ny manam-be.
Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho,
ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona,
na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona.
Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;
nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra,
araka ny hareny,
hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay!
Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny zokiolona nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina,
ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’.Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony,
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy handoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’,Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana,
ka nahita lehilahy anankiray
tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,
dia hoy izy taminy:‘Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto
nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’Fa sina ilay olona:
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony:‘Afatory ny tongotra aman-tanany,
ka ario any amin’ny maizina any ivelany io,
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify’.Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-10)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny zokiolona nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina,
ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’.Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony,
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy handoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’,Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Safidy inona no anananao eo anatrehan'ny tranga misy eto amin'ny firenena?. Safidy hampandroso an'i Madagasikara ve sa safidy vao mainka hampilentika noho ny fitiavantena. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nihaona tamin'ny mpikamban'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana omaly ny kandidà filoham-pirenena miisa 12. Nohamafisin'ny vondron'ireo kandidà 11 fa tsy hanao fampielezan-kevitra mihintsy izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiana... ♦ Hivory tsy ara-potoana anio ireo mpikamban'ny antenimieran-doholona. Nankatoavin'ny filan-kevitry ny ministra ny fangatahana nataon'ny Loholona 14... ♦ Vita sonia ny fandaharan'asa lasitra iarahan'ny FAO sy ny Fanjakàna malagasy manatanteraka ny taona 2022 hatramin'ny taona 2025 ampandrosoana maharitra ny tontolo ambanivohitra sy hiantohana ny famokarana sakafo eto amintsika. Fandaharan'asa mitentina 85 tapitrisa Dôlara amerikana...
Manoloana ny halehibe sy ny fihazakazahan'ny fiovana ankehitriny dia entanin'ny Konsily ny olona tsirairay tsy hianina amin'ny hahasoa ny tenany samirery. Tsy maintsy mifanao soa ny tany ama-monina. Tsy misy mahavita tena ka ilaina ny fifanampiana sy fifanohanana amin'ny samy mpiara-monina hikatsahana ny soa iombonana. Ny fikatsahana ny soa ho an'ny tena samirery dia fitiavan-tena. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco