Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 2, 5-12

Mendrika Azy ny handavorary ao amin’ny fijaliany Ilay iavian’ny famonjena.

Tsy mba Anjely no nametrahan’Andriamanitra eo ambaniny
izao fiainan-ko avy lazainay izao.
Fa amin’ny andininy anankiray any ho any
misy koa filazana manao hoe:

“Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy;
ary izay zanak’olombelona no amangianao azy?
Nataonao ambany vetivety noho ny Anjely izy;
dia nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana
ary napetrakao ambonin’ny asan-tananao,
ka nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra.”

Raha nametraka ny zavatra rehetra teo ambaniny Izy,
dia tsy nisy zavatra navelany tsy eo ambaniny mihitsy.
Fa izao anefa tsy mbola hitantsika:
natao ambaniny avokoa ny zavatra rehetra;
fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely,
dia Izy Jesoa no hitantsika nosatrohana voninahitra
sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany;
fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra
dia nanandrana ny fahafatesana
mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Fa mendrika an’Ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra,
izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra,
ny nandavorary ao amin’ny fijaliana
Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.
Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra,
na ny manamasina na ny hamasinina,
hany ka tsy mahamenatra Azy
ny miantso azy ireo hoe rahalahy,
araka ny teniny hoe:

“Hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko Aho,
hankalaza Anao eo afovoan’ny Eglizy Aho.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 8, 2a sy 5. 6-7. 8-9

Ny asan-tananao nomenao hanjakan’ny Zanakao.

Inty aho hihira ny fiandriananao
ambony sy madera manoatra noho ny lanitra.
Fa inona ny olona no mba tsiahivinao?
Ny zanak’olombelona, he tsimbininao!

Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy,
heni-boninahitra izy nasondrotrao.
Ny asan-tananao foinao hozakainy,
ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.

Dia omby aman’ondry omban’ny bibidia,
ny biby izay mandady sy mandia izany tany.
Ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina
izay miriaria sy mifaly eny ambony onja.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 1, 21-28

Nampianatra azy ireo, toy ny manana fahefana Izy.

Indray sabata,
raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma
i Jesoa sy ireo nanara-dia Azy,
dia niditra tao amin’ny sinagôga,
ary nampianatra azy ireo Izy.
Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany,
satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy,
fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna.
Ary tao amin’ny sinagôgany,
dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto,
ary niantso mafy izy nanao hoe:

“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa avy any Nazareta?
Tonga hampahita loza anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra.”

Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe:

“Mangina,
ary mivoaha amin’io lehilahy io.”

Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy,
dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe:

“Inona ity?
Fampianarana vaovao inona re ity?
fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.”

Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 42, 1-4. 6-7

Indro ny mpanompoko Ilay sitraky ny foko.

Izao no lazain’ny Tompo:

Indro ny mpanompoko izay tantanako;
ilay voafidiko ka sitraky ny foko;
napetrako ao aminy ny fanahiko;
hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.
Tsy hiantso mafy izy na hanandra-peo,
na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be.
Ny volotara efa poritra tsy hotapahiny;
ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny.
Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;
tsy ho ketraka izy na ho kivy akory,
mandrapanoriny ny rariny amin’ny tany;
ary ny nosy hiandry ny lalàny.
Izaho Tompo no niantso anao, tamin’ny fahamarinana,
sy nandray tanana anao,
miaro anao Aho ary manao anao ho fanekempihavanana
ho an’ny vahoakako sy fahazavan’ny firenena hampahiratra ny jamba,
hamoaka ny mifatotra ao amin’ny tranomaizina
sy ireo mipetraka ao anatin’ny haizina ao amin’ny fonja.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 28, 1a sy 2. 3ad-4. 3b sy 9b-10

Ny Tompo hitahy ny vahoakany sy hanome fiadanana azy.

Omeo ny Tompo, rey zanak’Andriamanitra,
omeo ny Tompo ny voninahitra sy ny hery;
ny Anaran’ny Tompo omeo voninahitra;
ny Tompo iankohofy ao an-kianjany masina.

Ny kotro-baratry ny Tompo eo ambony rano:
Andriamanitra mampitalakotroka;
ny Tompo dia be voninahitra
eo ambony rano midadasika.

Ny kotro-baratry ny Tompo mampangovy ny ala!
Hoy ny ao an-dapany: voninahitra!
Ny fiketrahan’ny Tompo: ny safodrano; ny fanjakan’ny Tompo: mandrakizay.

Vakiteny faharoa

Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly 10, 34-38

Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina Izy.

Tamin’izany andro izany,
niloa-bava i Piera nanao hoe:

“Hitako marina tokoa
fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra;
fa izay matahotra Azy sy manao ny marina,
dia ankasitrahiny na aiza na aiza firenena misy azy.
Nampitondra teny tamin’ny zanak’i Israely Izy,
mba hanambara fiadanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,
izay Tompon’izao rehetra izao.
Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo,
nanomboka tany Galilea
taorian’ny batemy notorîn’i Joany;
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny,
ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza;
nahasitrana izay rehetra azon’ny demony,
satria nomba Azy Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay,
ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 3, 13-17

Nahita ny Fanahin’Andriamanitra nidina teo amboniny i Jesoa nony vita batemy.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga avy tany Galilea i Jesoa
ka nanatona an’i Joany teo amoron’i Jordany
mba hataony batemy;
fa nandà i Joany nanao hoe:

“Izaho no tokony hataonao batemy,
ka Ianao indray va no mankaty amiko?”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ekeo izao,
fa izao no mety hahatanterahantsika
ny fahamarinana rehetra”.

Dia nanaiky izy.
Nony vita batemy i Jesoa,
dia niala avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay,
ary indro nisokatra taminy ny lanitra,
ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra
nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny.
Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe:

“Ity no Zanako malalako
izay ankasitrahiko indrindra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

20 desambra — Miaramila niaina tany amn'ny taonjato fahatelo ity ankalazaina androany ity. Araka ny fitantaran'i Masindahy Denys d'Alexandrie dia niaro kristianina iray nomelohina ho faty i Masindahy Théophile, ary ny fijoroany amin'ny maha kristianina azy no nanavotra io lehilahy io.

♦ Efa tafatsangana ny kaomisiôna 11 handrafitra ny fanomanana ny fanamasinana ho eveka, an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, izay hotontosaina amin'ny volana janoary 2023... ♦ Tontosa ny fomba fangatahana an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, nataon'ny delegasôna avy amin'ny diôsezin'Ambaja tao amin'ny diôsezin'i Morondava... ♦ Notsofin-drano omaly ny Birao vaovao hitantana indray ao anatin'ny efa-taona ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...