Vakiteny voalohany

Bokin’ny zanak’i Siràka 3, 2-6. 12-14

Manaja ny ray aman-dreniny izay matahotra ny Tompo.

Sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy;
ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany Izy.
Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;
ary fanangonan-karena ny fanajana ny reny.
Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany;
ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy.
Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana,
izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.
Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao,
ary aza mampalahelo azy ny andro iainany.
Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy,
ary aza manatsinontsinona azy,
rehefa be indrindra ny tanjakao.
Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy;
ary hisolo toerana ny fahotanao,
ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 127, 1. 2. 3. 4-5

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin’ny lalany.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra fehizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
eo anivon-tranonao;
ny zanako solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo hitahy anao hatrany:
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany KôIôsy 3, 12-21

Toy izao ny fiainan’ny mpianakavy eo anatrehan’ny Tompo.

Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo
no hamelanareo heloka ihany koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana,
izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy,
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray;
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny salamo aman-kira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo,
araka ny mety ao amin’ny Tompo.
Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo,
ary aza sosotsosotra aminy.
Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra,
fa ankasitrahin’ny Tompo izany.
Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo,
fandrao dia mamoy fo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy;
ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 2, 13-15. 19-23

Ento ny Zazakely sy ny Reniny ary mandosira any Ejipta.

Nony lasa ny Majy,
indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Jôsefa
tamin’ny nofy ka nanao hoe:

“Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny Reniny,
ary mandosira any Ejipta,
dia mitoera any mandrapilazako aminao indray,
fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny”.

Mbola alina, dia nifoha izy,
nitondra ny Zazakely sy ny Reniny,
ka lasa nankany Ejipta.
Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo
voalazan’ny Mpaminany hoe:

“Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako.”

Ary rehefa maty i Herôda,
indro nisy Anjelin’ny Tompo,
niseho tamin’i Jôsefa tany Ejipta tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:

“Mifohaza ianao, ento ny Zazakely, sy ny Reniny,
ka modia any amin’ny tanin’i Israely,
fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely”.

Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny Reniny
ka tonga tany amin’ny tanin’i Israely.
Nony reny anefa fa i Arkeiaosy no nanjaka tany Jodea
nandimby an’i Herôda rainy,
dia natahotra hankany izy,
ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy.
Ary nony tonga tany izy,
dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta
mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe:

Fa hatao hoe Nazareanina Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

12 desambra — Raha zohintsika ny tantara nahatonga izany fankalazana izany dia toa izao : Ny sabotsy 09 desambra 1531, nisy indiana nantsoina hoe Juan Diego Cuauhtlatoatzin, nankany amin'ny tananan'i Maxico mba haneho mari-panajana an'i Masina Maria. Rehefa nandalo eo am-pototry ny tendombohitra Tepeyac izy, dia tampoka naheno feo avy any an-danitra izy.

11 desambra — Teraka ny taona 305 i Damase. Nitoetra tao Roma izy, niaraka tamin'ny fianakaviany. Niditra tao amin'ny fikambanan'ny mpisorona izy ary tonga iray tsara laza tamin'ireo pretra. Diakra niaraka tamin'ny papa Libère no nahafantarana an'i Damase, ary nomen'io papa io andraikitra izy ho masoivoho any amin'ny amperora Valens sy Valentinien.

10 desambra — Avy any Trawsfynydd, Pays de Galles i John Roberts. Ny finoana no nahatonga azy ho akaiky kokoa ny Fiangonana romanina noho ny Fiangonana Anglikana, izany no nahatonga azy ho mpianatra lalana tao Oxford, ary nanararaotra ny fandalovany tao Paris izy nankao amin'ny fiangonana Notre-Dame de Paris mba ho raisina ao amin'ny Fiangonana Katôlika ny taona 1598.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...