31 aogositra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 24, 42-51)
♦ Kandidà valo amin'ireo hirotsaka hofidiana no namoaka fanambarana miaraka androany. Tsy afaka hirotsaka intsony ny Filoha ankehitriny, raha ny voalazan'ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy, hoy izy ireo... ♦ Namoaka fehin-kevitra ny SECES androany, tao aorian'ny fivoriana nandinihana ny raharaham-pirenena. Nandroso soson-kevitra hanavotana ny firenena izy ireo... ♦ Tafakatra ho 161 ny medaly azon'i Madagasikara hatramin'ny androany, amin'ny Lalaon'ny Nosy tanterahana eto amintsika...
♦ Andro faharoa amin'ny fihaonambe nasiônaly tanterahin'ny FFKM, miaraka amin'ireo hery velona samihafa eto amin'ny firenena ny anio. Samy manana ny fahitany izany sy ny andrasany amin'izany ireo mpanao pôlitika... ♦ Nidera ny ezaka vitan'ny Ministra Edgard Razafindravahy amin'ny fampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara ny tompon'andraikitry ny IFC Madagasikara, izay sampan'ny Banky Iraisam-Pirenena... ♦ Fiforonana asa anarivony, fahazoana fotodrafitr'asa, fihatsaran'ny tontolo iainana, fandrosoana ara-tsôsialy no isan'ny tombontsoa azon'ireo mponina any amin'ny Kaominina ambanivohitra Mandoto tamin'ny fametrahana ny valan-java-boahary Madagasikarantsika...
♦ Raha voamarina sy hanana porofo ny famezivezena kandia amin'ny fifidianana filoham-pirenena, amin'ny fikarakarana tartasy eny amin'ireo sampandraharaham-panjakàna isan-tsokajiny dia hisy ny fandraisana fepetra nifandraika amin'izany hoy ny filohan'ny HCC... ♦ Ny ahafahan'ny Malagasy mifampiresaka sy mifampihaino manoloana ny olana misy eto amin'ny firenena no isany tanjona amin'ilay fihaonambe karakarain'ny FFKM eny Mandrimena mandritra ny telo andro nanomboka omaly... ♦ Hampihemotra ny mpandraharaha vaventy maniry hampiasa vola eto amintsika ny tsy mbola firosoan'ny fitondram-panjakàna amin'ny fanomezana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena ankibon'ny tany, hoy ny FOM...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco