♦ Tafakatra amin'ny dingana famaranana ny Barean'i Madagasikara, amin'izao Lalaon'ny Nosy faha-11 izao. Tafakatra hiatrika ny lalao famaranana ihany koa ny ekipa malagasy amin'ny taranja Volley Ball, na ny lehilahy na ny vehivavy... ♦ Maro ireo fepetra horaisina sy fandaminana vaovao hatao, hahafahana miatrika ny famaranana ny Lalaon'ny Nosy amim-pilaminana amin'ny alahady izao... ♦ Mbola misy vahaolana ho an'ny famatsian-drano any atsimon'ny nosy, araka ny voka-pikarohana momba ny tahirin-drano any an-toerana, izay navoaka androany...
♦ Tokony hararaotina hisian'ny diniky ny samy Malagasy handaminana firenena ny fihaonambe nasiônalin'ny FFKM izao hoy ny Vondrona Politika APOGENIE. Anisan'ireo nitondra soson-kevitra ho an'ny raharaham-pirenena tamin'ny FFKM izy ireo... ♦ Mbola nanome antoka ny Praiministra fa hisy ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 3 novambra. Karazan'ny namaly ny ahiahin'ireo kandidà sasany, izay tsy mbola nandrotsaka ilay anto-bola 200 tapitrisa Ariary ny lehiben'ny Governemanta... ♦ NItondra fandaminana vaovao ny mpikarakara ho an'ny fidiran'ny mpijery amin'ny famaranana ny lalaon'ny nosy amin'ny alahady izao. Tsy maintsy manana tapak'ila ny mpijery, mba tsy hisian'ny fifanosehana toy ilay nahafaty olona 13 tamin'ny zoma teo...
♦ Kandidà miisa 8 amin'ireo hirotsan-ko fidiana no namoaka fanambaràna miaraka omaly. Tsy afaka hirotsaka intsony ny filoha ankehitriny, raha ny voalazan'ny lalàna mifehy ny fizakàna ny zom-pirenena malagasy hoy izy ireo... ♦ Nandiso ny vaovao niparitaka ny Tonia Mpampanoa Lalàna omaly hariva fa tsy nisy ny fampiantsoana ny filoham-pirenena teny amin'ny fitsaràna momba ny zom-pirenena... ♦ Tafakatra 194 ny medaly azon'i Madagasikara amin'ny lalaon'ny nosy. Raha ny tarehimarika ôfisialy farany nivoaka omaly hariva dia nandrombaka medaly volamena miisa 83 i Madagasikara hatramin'ny omaly... ♦ Mivoatra ilay raharaha fanonganam-panjakàna tatsy Gabon, notendrena ho filohan'ny tetezamita ny Jeneraly Brice Oligui Ngema...
Tsy maintsy iahiana ny vatana sy ny fanahy ny asa. Raha ny vatana fotsiny no iahian'ny asa dia lasa fanandevozana. Tsy natao hikendrena ny haren'ny tany fa hikatsahana ny famonjena ny fanahy, io no tokony laharam-pamehana. Tsy tokony hiteraka tebiteby ny asa : rahefa maro ny zavatra manahiran-tsaina sy mampitotototo ny olona, dia ahiana hataony tsirambina ny Fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco