Fotoanan'ny fety isan-karazany izao : ny fetim-pirenena, ny fetin'ny ray, koa aoka iainana ny fifanajana mba hisian'ny fifankativana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Tontosa omaly, tao Mangarano II, Diôsezin'i Toamasina ny fitokanana ny fiangonana EKAR Don Bosco sy ny Sekoly Dominique Savio, tantanan'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Ny 27 hatramin'ny 29 mey 2022 teo ny fanohanana ny Seminera, ho an'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy...

♦ Alim-bavaka, Eokaristia Masina ary dia mivavaka, no nanamarihana ny faha-150 taonan'ny Masera FMA, tamin'ny 24 mey 2022... ♦ Nankalazaina ny alahady 22 mey 2022, ny taom-bolamena niorenan'ny finoana katôlika tao Andranomagnitsy, distrika Ambahikily, Morombe... ♦ Hotanterahana ny 29 mey 2022, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Arsevekan'i San Antonio, ny Papa François, tao aorian'ilay fitifirana nitranga tao amin'ny sekoly iray tany Texas...

Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena fa na ny tantara maneran-tany ihany koa dia torak'izay, satria isika dia efa miaina ao anatin'ny fanatontoloana... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...