02 jolay — I Martinien sy i Procès dia martiry romanina tamin’ny taonjato voalohany. Nalevina tao amin’ny fasana Damase tao amin’ny via Aurelia izy ireo. Araka ny lovan-tsofina dia izy ireo no mpiandry fonja nampijaly an'i Pierre sy i Paul tao am-ponja tao Tullianum.

♦ Notontosaina ny 29 sy 30 jona 2022 ny fihaonana voalohany ho an'ireo Ekipa nasiônaly, namondronana ireo valim-panontaniana rehetra manodidina ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Hotontosaina ny 9 sy 10 jolay 2022 ny fivoriana faharoa ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eny amin'ny FTMTK Ambohipo... ♦ "Aza manao hoe zaza aho, fa handeha any amin'izay hanirahako anao ianao" (Jer. 1, 7a). Io no teny manentana amin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Ankizy eny amin'ny FTMTK sy ny Seminera zandriny Ambohipo, nanomboka androany...

01 jolay — Teraka tao Homécourt tao Marnes i Masindahy Thierry, ary maty tao Reims ny taona 533. Zanaka tompomenakely sady jiolahy mpandroba an-dalambe antsoina hoe Marcard izy. Tamin’ny andro nanaovana ny mariaziny no nahatsapany ny fiantsoan’Andriamanitra azy mba hiroso amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina.

♦ Notanterahana ny sabotsy 18 jona 2022, ny fanatontosana ny horonan-tsary fanentanana momba ny JMJ Mada X, sy ny famoriana ny anjara biriky ho fizakana ny JMJ Mada X, ao Antsirabe... ♦ Nomarihana tao Mandritsara ny faha-70 taonan'ny Fikambanan-dry Masera Fo Masin'i Jesoa sy Fo Madion'i Maria... ♦ Hotanterahana ny 1 ka hatramin'ny 3 jolay 2022 ny Andron'ny Ankizy eto Antananarivo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...