♦ Nivoitra tamin'ny fakan-kevitra nataon'ireo fiaraha-monim-pirenena, mahakasika ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Mandena any amin'ny Faritra Anosy, ny fametrahana sehatra fifanakalozana sy fifampidinihana hialana amin'ny disadisa ary ahatonga ny fitrandrahana hampandroso ara-toe-karena sy sôsialy any amin'ny faritra misy azy... ♦ Miroso amin'ny fitetezam-paritra ankehitriny ireo mpanao pôlitika heverina fa hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Tany Fiaranantsoa ny Mi firaisankinan'ny Tia Taninndrazana sy ny MIHAVA Tour... ♦ Mitohy ny fifidianana ny filohan'ny ligy any amin'ny isam-paritra eo amin'ny taranja baolina kitra. Taorian'ny tany Amoron'i Mania dia vita ihany koa ny tany Matsiatra ambony...

♦ Nankalaza ny nampiakarana an'i Masina Maria tany an-danitra tamin'ny Eokaristia Masina omaly ny Eglizy katôlika Romana maneran-tany... ♦ Isan'ny sehatra hiaraha-miasa eo amin'i Inde sy Madagasikara ny fanatanterahana ny fifidianana madio sy mangarahara, araka ny nambaran'ny masoivohony eto Madagasikara, omaly, raha nanamarika ny faha-77 taona nahazoany ny fahaleovan-tena niaraka tamin'ireo solon-tena avy amin'ny fitondrana Malagasy, teny Ivandry, ireo tera-tany Indiana omaly...  ♦ Ho tonga eto Antananarivo amin'ny 23 aogositra ny afo tsy matin'ny lalaon'ny nosy, mialoha izany, i Toliary no handray azy amin'ny zoma izao... 

Maro ireo nihevitra fa mpiray petsapetsa amin'ny mpanota i Jesoa Kristy tamin'ireo fanasana natrehany. Ny asa dia ahitana fifanaharana hatrany, ohatra : rehefa nantsoin'i Jesoa Kristy dia nanaiky ho diovina i Matio. Azo atao tsara ny miasa ara-pahamarinana sy ara-drariny ho fanasoavana ny daholobe.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

16 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...