Ny asa dia manambara ny maha-izy ny tena. Maro ny olona no mihevitra fa izay mahazo vola betsaka amin'ny tambin'ny asa no ambony. Ny asa mendrika dia izay rehetra mampivelatra ny maha-olona. Araka ny voasoratra ao anaty Baiboly ; rehefa niantso ny mpianany i Jesoa dia niova ny asa fanaon'ireo voaantso ary lasa mpanarato olona izy rehetra.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

10 aogositra 2023 — Masindahy Laurent, Diakra Martiry — Fety — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 24-26)

♦ Nandalo tany Fatima, toerana nisehoan'i Masina Maria tamin'ireo ankizy telo mianadahy mpiandry ondry, tamin'ny taona 1917, ireo Ekipan'ny Fahazavan'i Madagasikara, nandray anjara tamin'ny JMJ natao tany Lisbonne Portugal... ♦ Fanambin'ny Filoha teo aloha, Hery Reajaonarimampianina, amin'izao fiverenany an-tanindrazana izao, ny famerenana amin'ny laonina ny fiainam-bahoaka... ♦ Nanaitra ny mpitantana ny Tananan'Antananarivo Renivohitra manoloana ny fivangongon'ny fako amin'ny faritra maro ao an-drenivohitra indray, ny mpikambana ao amin'ny Antoko Pôlitika Madio...

♦ Tsy hiadin-kevitra fa mihemotra eo amin'ny lafiny toe-karena sy sôsialy i Madagasikara hoy ny vondron'ireo manampahaizana nasiônaly na ny GEN. Soso-kevitra narosony ny fanovàna rafitra... ♦ Efa mandeha ny fifampidinihana hahafahana mamerina ireo petra-bola any amin'ny orinasam-panjakàna hafa, hoy ny filohan'ny filan-kevi-pitantanana eo anivon'ny CNaPs... ♦ Miteraka sakana amin'ny fotoana tokony hamoahan'ny mpanazatra ny lisitry ny Barea hiatrika ny lalaon'ny nosy, ireo lalao amin'ny fandaharam-potoana samihafa izay tsy maintsy atrehin'ireo mpilalao sasany natsoina handrafitra ny Barea... ♦ Lasibatry ny hafanana be ny any Espagne sy Portugal. Tombanana hihoatra ny 40°C any amin'ny faritra sasany...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...