♦ Mitondra antsika amin'ny fanantenan'ny fitsanganan-ko velona, ny fanombohantsika ny Karemy amin'ny lavenona, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Famantarana sy fahafahana ny fahalavan'ny andro iainana, hoy ny Papa François... ♦ Niombom-peo sy nanamafy ny antson'ny Papa François, ireo Kardinaly mandrafitra ny Curie Romaine, mba hivavahana ho an'ny fandriampahalemana
♦ Manao antso avo amin'ireo Diôsezy rehetra mba handefa avy hatrany ny fanampiana ho an'ireo tra-boina any atsimo atsinanan'ny nosy, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Fabien Raharilamboniaina... ♦ Manadino tanteraka ny maha olona izay mahatonga ny ady, hoy ny Papa François... ♦ Tafajoro amin'ny fomba ôfisialy ny Fikambanana masina "Garde d'Honneur Fo Masin'i Jesoa", ao amin'ny Diôsezin'i Morombe...
♦ Manatanteraka ny fivoriam-be fanaony ny Secteur Avaratra ao amin'ny Diôsezin'Antsiranana. Dinika momba ny Sinaody no mibahan-toerana amin'izany... ♦ Nifantoka tamin'ny hevitra sy ny lanjan'ny fahanterana ny katesizin'ny Papa François, nanomboka ny alarobia 23 febroary 2022... ♦ Nanao antso avo ho amin'ny fifampiraharahana eo amin'i Rosia sy Ukraine ny Kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakana ao amin'ny Fiketrahana Masina...
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany. Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Môizy sy i Elia, izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roa lahy teo aminy. Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa: "Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra aty, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia"; tsy fantany anefa izay nolazainy. Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telo lahy tamin’ny nidirany tao anatin’ny rahona. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: "Ity no Zanako malalako, henoy Izy". Ilay niteny iny ny feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza tamin’izany andro izany izay zavatra hitany teo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco